Alarobia 4 Desambra 2019

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1 (Fanitsiana fahenina 2011)

 

Nanova ny fiainako Ilay Andriamanitra velona

« Nahazo fanabeazana ara-pivavahana aho, ka nifampikasoka hatrany tamina finoana an’Andriamanitra, teo anivon’ny fianakaviako. Nony zatovo aho dia nandray ny fisainan’olombelona, fisainana nahatonga ahy handà ny hoe finoana, izay noheveriko ho tsotsotra loatra. Kanefa dia marobe ireo fanontaniana momba ny fisiako eto an-tany no tsy nahitako valiny.

Nony 20 taona aho dia nifanena tamina vehivavy kristiana niaina finoana tena izy, tamina fomba tsotra sady mahitsy. Nanomboka niova ny fijeriko an’Andriamanitra sy ny finoana, nanjary fijery zava-misy sy azo tsapain-tanana kokoa. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hataony faly miaina, ary nanomboka namaky ny Baiboly. Raha ny marina anefa, dia mbola tsy nahatakatra zavatra firy tao aho, ary mbola tsy vonona hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy. Niverina nirenireny teo amin’ny fiainana indray aho, nihevitra ny tenako ho voaozona hiaina fiainana tsy dia mankaiza, na dia niezaka mba hiala amin’izany aza. Tahotra ny ampitso, tolona, zava-tsarotra, tsy fahombiazana : izany no nameno ny fiainako. Ela tatỳ aoriana vao takatro ny fototra iorenan’ny finoana kristiana. Dia nibebaka an-dranomaso aho, faly nahafantatra fa voavela heloka, ary nangetaheta fatratra hamaky ny Baiboly. Noho ireo fampianarana, ary indrindra noho Andriamanitra, dia niova ny fiainako anaty. Nomen’Andriamanitra ahy ny finoana, toy ny hoe fiainana iarahana mikolokolo aminy. Niharihary fa mahatoky Andriamanitra, mahari-po sady marina, amin’ny Teniny sy eo amin’ny zava-misy rehetra eo amin’ny fiainana. Nataony takatro tsikelikely ny halalin’ny fitiavany ahy, ary nataony sambatra aho mampiorina isanandro isanandro ny finoako Azy. Taloha dia nampisalasala ahy ny finoana, satria noheveriko ho tsotsotra loatra, nefa nony farany aho dia nahita Andriamanitra velona, nanova ny fiainako. »

Michel