Alakamisy 5 Desambra 2019

Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory ; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Hebreo 12:11

Esory ny taim-bolafotsy, dia hisy fanaka ho an’ny mpanao an’idina. Ohabolana 25:4

 

Ny asan’ny mpanao hosodoko

Nalaina sarimihetsika ity mpanao hosodoko iray, nanao fanamby hoe hanao sarin’olona ao anaty fotoana voafetra, amina pensily matevina miloko isan-karazany. Tamin’ny voalohany dia tsipitsipika maro no hita, mitsivalambalana etsy sy eroa, toa tsy misy ifandraisany. Inona no tian’ilay mpanakanto hahatongavana ? Tsikelikely teo anefa dia nipoitra ny sarin’olona mirindra sady mitovy amin’ilay olona nataony sary.

Toy izany ny fiainantsika, matetika. Misy zava-mitranga tsy voatery ho takatsika ny heviny, toy ny tsipika misesisesy : nahoana no misy izao aretina izao ? Inona no anton’izao fahasahiranana izao eo amin’ny asako, eo amin’ny ankohonako ? Tokony ho tonga saina isika fa manana drafitra Andriamanitra, mikendry tanjona. Izy no mitantana ireo dingana eo amin’ny fiainantsika, mba hanefeny antsika. Tanjona tsara no kendreny : “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11).

Ireo izay mino an’i Jesosy dia hahita ny vokatra lavorary aterak’izany, rehefa tonga any am-paradisa : “Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay” (2 Korintiana 4:17). Izany koa no lazain’ny teny nomena antsika androany : ny zavatra rehetra dia natao mba hanefena “fanaka” hahafaly ny mpanefy azy. Koa mahereza isika, mandra-pahavita izany, satria fantatsika fa tia antsika Jesosy ary tsy mba mety diso.

 

Famaizana azo itokisana — Ataon’Ilay Andriamanitry masina,

Famaizana mamokatra be — Noho ny fahasoavan’Andriamanitra !

Ianao no mamolavola eto an-tany — Ireo zanakao malalanao.

Hoderaina anie Ianao, ry Ray be fitiavana, — Mikarakara tsara anay !