Zoma 6 Desambra 2019

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny ? 1 Jaona 3:17

 

Asa fanasoavana

Rehefa mitsidika ny trano fitaizana beantitra ao Beaune (any Frantsa), dia mahafantatra fa ilay mpanankarena nanorina azy io dia nanantena hahazo ny famonjena ny fanahiny amin’ny fanaovana asa soa : “Izaho, Nicolas Rolin, chevalier, mponin’i Autun, andrianan’i Authumes ary mpanapaka eto Bourgogne, amin’ity andro ity, alahady 4 aogositra, taonan’ny Tompo 1443… mba ho famonjena ny fanahiko, ary te hanakalo ny harenan’ny tany amin’ny harenan’ny lanitra… dia manorina sy mamatsy ka tsy iverenana intsony, ho an’ny tanànan’i Beaune, hopitaly ho an’ny marary mahantra, sy trano fiangonana, ho voninahitr’Andriamanitra”.

Mety hihevitra toa azy koa angamba isika, hoe ny fanaovan-tsoa dia hampitongilana ny mizana ho antsika. Mampahatsiahy anefa ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, fa tsy afaka manao na inona na inona isika, mba hamonjena ny tenantsika. “Ny ran’i Jesosy Zanany” no hany “manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Dia mieritreritra ve isika fa afaka manampy, amin’ny fahamendrehantsika manokana, ny efa nataon’i Jesosy ? Hanambany ny voninahiny izany, ary hanao tsinontsinona ny lanjan’ny asa notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana. Ny finoana an’i Jesosy Kristy no hany mahavonjy.

Koa tsy misy na inona na inona hataon’ny mpino intsony ve izany ? Tsy tokony hanao na inona na inona ve izany izy, ary tsy hisaina ny hanao soa ho an’ny hafa ? Tsy izany velively. “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17). Ampirisihina ny mpino ho tonga ohatra amin’ny fanaovan-tsoa : “Mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara” (Titosy 3:8). Andriamanitra dia mijery ny fo, fantany ny antony manosika antsika hanao zavatra. Tsy afaka manao na inona na inona isika mba ho voavonjy, nefa kosa aoka ho vonona hiara-manatanteraka amin’i Jesosy Mpamonjintsika sy Tompontsika, ireny asa soa manome voninahitra Azy ireny.