Asabotsy 7 Desambra 2019

Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’i Jesosy ; fa efa handalo tamin’izany làlana izany Izy. Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe : Ry Zakaiosy, midìna faingana ; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio. Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly. Lioka 19:4-6

 

Anio (5)

Lioka 19:1-10

“Tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.” Halan’ny olona i Zakaiosy, satria namory hetra ho an’ny mpanjana-tany romana. Nanankarena izy, saingy nanirery. Nefa naniry mafy tao am-pony izy hahita an’i Jesosy. Izany no nanosika azy handao ny toerana naha metimety ny fiainany sy hianika hazo.

Amintsika indray, inona no sakana mahatonga antsika tsy hihaona amin’i Jesosy ? Ny fahamelohana ve, sa ny fanatsarantsika tena ? ny vola ? ny hafa… ?

Novalian’i Jesosy mihoatra noho izay niriny i Zakaiosy. Nijanona Jesosy, niantso azy tamin’ny anarany, ary niantrano tao aminy. Nampiboiboika hafaliana tao am-pony io fihaonana tamin’i Jesosy io. Niaina ny famelan-keloka sy ny famonjena izy, ary afaka ny ho vavolombelon’izany. Midika hoe “marina” ny anaran’i Zakaiosy, nefa dia noraisin’ny mpiara-belona aminy ho lehilahy mpanota izy, eny fa na dia nampiseho ny finiavany hanaporofo ny fahitsiany aza ny resaka nataony tamin’i Jesosy. Nefa ve izany afaka nanakana azy tsy hihaona amin’i Jesosy ? Maro ny nihevitra izany.

Toy izany koa angamba no fihevitrao ny tenanao : “Ratsy loatra aho, tsy afaka handray ahy Andriamanitra…” Henoy àry ny tenin’i Jesosy. Tsy tonga ho ana olo-marina izy, fa tonga indrindra hamonjy antsika, satria mpanota antsika. Izy no manome fahamarinana vaovao ho antsika. Anio dia “anio”-n’ny famonjena, “anio” mety hisy fihaonana amin’i Jesosy, fihaonana iainana amin’ny finoana, noho ny Teny nambara, nohenoina sy ninoana hoe : “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena”.