Alahady 8 Desambra 2019

... mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo, mba hahaizanareo ... hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana. Efesiana 3:17-19

 

Ny fitiavan’i Kristy

Na midadasika toy inona aza ny fahaizan’ny olombelona, dia misy fahalalana mihoatra noho ny fahalalana hafa rehetra. Ambaran’ny Baiboly amintsika izany, dia hoe ny fahalalana ny fitiavan’i Kristy. Tsy fahalalana ara-potokevitra, tsy azo tsapain-tanana, fa miankina amin’ny toerana omentsika an’i Jesosy ao amin’ny fisainantsika sy ny fitiavantsika, ary misy akony hita maso eo amin’ny fiainantsika.

Ny fitiavan’i Kristy dia hafa noho ny fitiavan’olombelona. Ny fitiavan’ny olona dia mila valiny avy amin’ilay tiana, mba hahafahany mitohy sy mitombo ; fa Jesosy Kristy kosa dia nitia tsy nitady tambiny, satria toetra maha Andriamanitra ny fitiavana, ary mitady izay hahasambatra ny olombelona.

— Ny fitiavan’i Kristy dia Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpahary tonga tetỳ an-tany, naka endrik’olombelona mba ho afaka manatona ireo voariny, manompo azy ireo, ary miresaka aminy momba ny fitiavan’Andriamanitra.

— Ny fitiavan’i Kristy dia Jesosy, tamin’ny fifandraisany rehetra tamin’ny olona, Jesosy tohina tamin’ny fijalian’ireo ory, feno fangorahana ireo nitomany, feno fitiavana ireo madinika, namindra fo tamin’ireo mpanota nibebaka.

— Farany, ny fitiavan’i Kristy dia niseho tamina fomba mendrika indrindra, teo amin’ny hazofijaliana. Teo dia tsy nisy hery afaka nanakana ny fitiavan’i Kristy, na ny fanarabiana, na ny kapoka, na ny fankahalan’ny olona, eny fa na dia ny fiheverany hoe hiatrika ny fahatezeran’Andriamanitra aza, noho ny fahotana tsy nataony akory, nefa nentiny.

Fitiavana tsy hay alain-tahaka mihitsy izany. Nefa ny fitiavan’Andriamanitra dia efa narotsaka tao am-pon’ny mpino (Romana 5:5), mba hahafahany mitia toa an’Andriamanitra.