Alatsinainy 9 Desambra 2019

(Hoy i Petera tamin’i Jesosy :) Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza. Fa hoy Jesosy : Lazaiko aminao, ry Petera : Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao. Lioka 22:33, 34

 

Anio (6)

Ilay “anio”-n’ny fandavana (Lioka 22:31-34 ; 54-62)

Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka dia matetika ireo “anio” (na “androany”) no maneho amintsika ny fitiavan’i Jesosy sy ny famindrampony, izay miasa mba hamaha ny fatorantsika ka hanafaka antsika. Nitory ny Filazantsara tamin’ny mahantra sy ireo nailika Jesosy… Ny Tenin’ny Baiboly nomena antsika androany dia miresaka momba ny fitsapana ny finoantsika. Toa an’i Petera, isika koa dia tandindomin-doza handà ny Tompo, kanefa mivavaka ho antsika Izy, toy ny nivavahany ho an’i Petera. Tsy hitsahatra ireo fikarakarany am-pitiavana ny mpianany.

Hoy Jesosy taminy : Handà ho tsy mahalala Ahy ianao. Tsy ilay anarany taloha hoe Simona no niantsoany azy, fa ilay anarana vaovao nomeny azy hoe Petera. Toy ny milaza aminy Izy, hoe : “Na eo aza ny zavatra hataonao, dia mpianatro mandrakariva ianao, mbola Petera hatrany ianao”. Lesona ho antsika izany, ry kristiana namana : raha mody tsy mahafantatra an’i Jesosy isika, dia mandà Azy rehefa mangina, na rehefa tsy mandray andraikitra… Amin’izany koa isika dia mandà ny tena maha isika antsika : Petera dia nanamafy fa tsy mpianatr’i Jesosy. Mahery lavitra noho ny fandavantsika, anefa, ny fitiavan’i Jesosy sy ny tsy fiovaovany. Tsy mandao ny sakaizany Izy, satria “tsy mahazo mandà ny tenany” (2 Timoty 2:13).

Tsy nino izay nolazain’i Jesosy taminy i Petera. Tiany dia tiany ny Tompony, ka afaka handà Azy ve izy ? Ny tenany no nitokisany kokoa, noho ny tenin’ny Tompo. Nony naneno ny akoho, dia nahatsiaro izay nolazain’i Jesosy i Petera, ary nitomany. Voahozongozona ny finoany, voazaha toetra, voalanja… kanefa mbola nitoetra hatrany ho ilay mpianatra malalan’ny Tompo izy, Ilay Tompony nilaza taminy tatỳ aoriana hoe : “Andraso ary ny ondriko” (Jaona 21:16).