Talata 10 Desambra 2019

Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. Galatiana 6:3

Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao ? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray ? 1 Korintiana 4:7

... toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. Mpitoriteny 11:5

 

Ilay mpibaiko orkestra sy ny hazokeliny

Evanjelista iray, izay notahin’Andriamanitra fatratra teo amin’ny asany, no tia mitantara ity tantara kely ity :

« Hanomboka ny fampisehoana. Efa vonona ny zava-maneno rehetra, ary ny mason’ny mpitendry azy dia samy mibanjina ny mpibaiko orkestra avokoa. Manainga ny hazokeliny izy, mampiato izany eny ambony, avy eo manetsika azy, dia manomboka ny rindram-peonkira. Mipaika ny gadona ilay hazokely, ary noho izy, dia miara-mamoaka feo mahafinaritra mirindra tsara ny zava-maneno rehetra. Feno rehareha ilay hazokely, nihevitra fa izy no tena fitaovana sarobidy indrindra ao amin’ny orkestra.Tsy mankatò ny baikony avokoa ve ireo mpitendry zava-maneno rehetra ? Rehefa tapitra ny hira dia napetraky ny mpibaiko orkestra teo ambony polipitra ilay hazokely. Nikodiadia ilay izy, nilatsaka tamin’ny tany, tafasisika teo anelanelan’ny gorodona, ka tsy hita intsony. “Ahoana izao no hataon’ireo raha tsy eo aho ?” hoy ilay hazokely, nieritreritra tao amin’ny toerana niafenany. Hitohy ny fampisehoana, niomana ny mpibaiko orkestra, nokarohiny ilay hazokely, kanefa tsy hita. Ka dia navoakany avy tany am-paosiny ny penina tsotra iray. Tamin’ny tanana kinga no nitantanany ny ban-kira tamin’ilay penina, ka dia nitohy ny fampisehoana, ary nahafinaritra toy ny teo aloha… »

Tsy ilay hazokely izany no zava-dehibe, fa tena ilay mpibaiko hira, nahay nampiasa azy tsara ! Raha olona mbola tsy mahay mampiasa io hazokely io no nitazona izany teny an-tanany, dia tsy ho nahavoaka rindram-peonkira tsara toy ny teo mihitsy !

Dia nanazava ilay evanjelista : « Ry kristiana, raha nomen’Andriamanitra voninahitra mba hampiasainy isika, dia aza mihevitra na oviana na oviana hoe tsy azo soloina. Mampiasa izay tiany hampiasaina Andriamanitra. Ny anjarantsika dia ny manaiky hampiasainy eo an-tanany, fa Izy no Ilay mpibaiko orkestra lehibe ! »