Alarobia 11 Desambra 2019

Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. 1 Korintiana 16:22

Ny Zanak’Andriamanitra ... efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ozona hoe ?

Nohazavain’ilay mpitoriteny anglisy antsoina hoe John Flavel (1627-1691) io 1 Korintiana 16:22 nomena antsika io. Nasehony fa ireo filazantsara dia mampisongadina ny fitiavan’Andriamanitra antsika, nasehony koa hoe tonga hatraiza ny fitiavan’i Kristy. Fitiavana tsy takatry ny saina, fitiavana nanaiky ho faty ho an’ny fahavalony. Ary dia notsindriany ny maha zava-doza ny tsy firaharahana izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ny mandà io fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy io dia miteraka vokatra lozan-tany mahatonga ny tena ho “voaozona”, ary Andriamanitra mihitsy no manameloka. Teny mahery mampisaina izany. Nanohina mafy an’i Flavel sy ireo nihaino azy izany fampitandremana hentitra izany. Teo am-pamaranana ny hafatra nentiny, rehefa nangataka ny fitahian’Andriamanitra ho an’ny mpanatrika izy, dia nisalasala kely, ary nihetsi-po mafy namerina hoe : “fa voaozona kosa ireo izay tsy tia ny Tompo”…

Nisy tovolahy 15 taona teo ho eo, antsoina hoe Luc Short, anisan’ireo nanatrika. Voakasik’ilay fampitandremana izy, kanefa tsy niraharaha izany, satria ireo vinavina maro nokasainy no nibahana tao anatiny. Fotoana kely taorianan’izany dia nifindra monina tany Etazonia izy, ary nanabe voa velaran-tany lehibe iray. Nony efa ho zato taona izy dia nandalo tampoka tao aminy toy ny tselatra io zava-nisy teo amin’ny fahatanorany io, ary niverina tao an-tsainy ilay antson’Andriamanitra hoe : “Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy”.

85 taona tatỳ aoriana dia mbola tsy tia Ilay Zanak’Andriamanitra ihany i Luc Short, ary noho izany dia nitoetra tao ambanin’ny ozony. Niaiky teo no ho eo tamin’Andriamanitra ny fahotany sy ny fiainany lavitra Azy noho ny fahadisoany izy, ka hahazo famelan-keloka sy fiadanana. Dia afaka niaina ireo taona sisa nomena azy izy, niaraka tamin’Andriamanitra sy ho an’Andriamanitra.