Alakamisy 12 Desambra 2019

Iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy. Romana 10:12

Izaho ... no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny harenan’i Kristy tsy hita lany. Efesiana 3:8

Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manankarena ianao). Apokalypsy 2:9

 

Ny kristiana, mpanankarena hoe ?

Ambaran’i Jesosy fa fitaka ihany ny fitokiana amin’ny hoavy, ho an’izay “mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra” (Lioka 12:21). Ireo harenan’Andriamanitra dia tsy mba harena hita maso, tsy harena tsy azo antoka, mora lo na marefo, fa harena ara-toe-tsaina sy ara-panahy. Harena voaaro izany, satria mifamatotra amin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra any an-danitra.

Ireo harena tsy mety ritra ireo dia voarafitry ny hatsaran’i Kristy : fitiavana, fahamasinana, fahamarinana, fahadiovana, fiadanana, fifaliana, hery, fahasoavana, fitserana, famelan-keloka… aina be dia be, fiainana mandrakizay… Ireo harena ireo dia omeny be dia be mba hiaina azy ireo isika sy ho vavolombelon’ireo. Omeny azy ireo maimaimpoana isika, raha miaiky fa mahantra, feno avonavona, fahamafiam-po, fahotana, mikomy amin’Andriamanitra… Ireo rehetra ireo dia efa noraisin’i Kristy teo amin’ny tenany avokoa, efa nefainy ny sandan’ireo, sanda mampivarahontsana, dia ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Izay mino dia manjary zanak’Andriamanitra, mpandova ny harenany rehetra. Ireo harena ireo dia :

maimaimpoana : Tsy mitaky na inona na inona Andriamanitra, ary mampahatsiahy fa isika dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany… amin’ny finoana” (Romana 3:24, 25).

lehibe : Ambaran’ny Efesiana 2:7 “ny haben’ny harenan’ny fahasoavany, amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy”.

tsy mety lany : “Harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba” (Lioka 12:33).

maharitra mandrakizay : “Andriamanitra … efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana” (2 Tesaloniana 2:16).