Zoma 13 Desambra 2019

Nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:2

Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika. Hebreo 2:1

Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Hebreo 12:25

 

Miteny amintsika tsirairay Andriamanitra

Eto amin’ity tontolo andrenesana feo maro samihafa mikorontana sy mifanipaka ity, dia miteny amintsika ihany koa Andriamanitra. Ny Teniny dia hitantsika ao amin’ny Baiboly, teny midika hoe “ilay Boky” ; tsy hoe boky hafakely fotsiny ihany, fa boky tsy manam-paharoa, ny Fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra.

Andriamanitra dia tsy hain’ny olona fantarina afa-tsy amina fanambarana mivantana avy aminy, satria Andriamanitra Izy, ary ny sain’olombelona tsy afaka hiakatra hatrany aminy, amin’ny alalan’ny rijan-kevitra.

Ny zavaboary dia maneho Mpahary mahery sy hendry. Ny fieritreretantsika dia milaza Andriamanitra masina. Fa fiteny hafa kosa no nilaina, mba hahafantarana Ilay Andriamanitra Mpamonjy, Andriamanitra tia ny voariny sy tia ny hahasambatra azy. Io fiteny hafa io no fitenin’ny Baiboly. Tsy fitambarana fitsipika ara-pitondrantena ny Baiboly, na bokim-pivavahana natokana ho an’ny olona manam-pahalalana na ho ana mpitondra fivavahana. Marina fa misy toko sarotra kokoa noho ny hafa ao, fa ny mpamaky mahitsy fo kosa dia afaka mahatakatra ny votoatin’ny hafatra entiny. Fa ho azo heverina koa ve hoe Andriamanitra dia hampiasa fiteny manjavozavo mba hilazany amin’ny olona noarìny izay zavatra tsy maintsy fantany ?

Ny Baiboly dia manambara io Andriamanitra Mpamonjy io amin’ny olona mpanota, izany hoe amiko sy aminao. Andramo àry : sokafy ny Filazantsara. Ho hitanao fa mivantana ny fiteniny, tsy mitsimbina izay tadiavintsika hafenina, nefa kosa tena mampionona raha vao maka am-panetrentena ny toerantsika eo anatrehan’Andriamanitra isika.