Asabotsy 14 Desambra 2019

Ary hoy izy (ilay jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy) : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42-43

 

Anio (7)

Lioka 23:39-43

Jesosy dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, teo anelanelana jiolahy roa. Tamin’ny voalohany dia samy niteny ratsy Azy izy roalahy (Matio 27:44). Nony avy eo anefa dia niova fihetsika ny iray tamin’izy ireo. Nanaraby an’i Jesosy na nihantsy Azy avokoa ny olona rehetra, ny mpandalo sy ny lohandohany ara-pivavahana, fa niaro Azy kosa ity lehilahy efa ho faty ity, izay nohelohin’ny fiarahamonina. Mihoatra noho izany aza, nanao fangatahana manaitra taminy izy, hoe : “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”.

Nisy takelaka napetaka teo ambonin’ny hazofijaliana, nanambara ny anton’ny nanomboana an’i Jesosy : “Ity no Mpanjakan’ny Jiosy”. Tamin’izany i Pilato dia naneso an’i Jesosy sy ny vahoaka jiosy. Nefa io soratra nataon’i Pilato io dia nampitsimoka finoana tao am-pon’ilay jiolahy ; ka takany fa mbola hiverina Jesosy, ary ho Mpanjaka, amin’izay fotoana izay.

Teo no ho eo ihany Jesosy dia niteny tamin’ilay jiolahy niresaka taminy, hoe : “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Zava-dehibe lavitra noho izay nangatahin’ilay jiolahy no navalin’i Jesosy azy : tsy nampanantena fotsiny Izy hoe hitsinjo azy any aoriana any, na ho ela na ho haingana ; fa anio, hoy Izy taminy —anio tsy misy hataka andro—, dia hampidiriko any amin’ny fitoeran’ireo olon-tsambatra ianao, ary hiaraka amiko any. Nampidirin’i Jesosy amina fifandraisana mandrakizay aminy ilay jiolahy nino, mba hanafahany azy amin’ny herin’ny ratsy mpanapotika sy amin’ny herin’ny fahafatesana.

Fanantenana toy inona re izany, ho antsika kristiana ! Ny fahafatesana dia mampiditra antsika ao amina “anio” mandrakizay : ao amin’ny “anio”-n’ny fanatrehan’i Jesosy. Ny hazofijaliana no nanjary toerana nihaonan’Ilay Mpamonjy amin’ny olona very sy “tsy manam-panantenana”. Teo no nanoloran’i Jesosy ho azy ireo ny famelan-keloka tena izy, ao anatin’ny fahazavana feno omen’ny fahamarinan’Andriamanitra.