Alahady 15 Desambra 2019

Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana... Ny latsa dia nanorotoro ny foko, ka reraka indrindra aho ; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita. Salamo 69:4, 20

 

Teo amin’ny hazofijaliana

 

Andro nampangorohoro, rehefa nanafina ny tavany Andriamanitra !

Andro nahamenatra sy nampisafotofoto,

Rehefa nisolo toerana anay Ianao, ry Tompo,

Nanefa ny sanda goavana ho fanavotana !

 

Nitady fitia sy fangorahana Ianao,

Nefa tsy nisy tamin’ireo olonao nahatakatra ny fijalianao ;

Ny iray namadika Anao, ary ny iray nandà Anao,

Tsy nahita mpampionona Ianao, na iray aza.

 

Tsy niloa-bava Ianao, tao anatin’ny fangirifirianao,

Rehefa nihantsy sy nanaraby Anao teo anatrehanao

Ireo fahavalonao naneso Anao ;

Koa dia nanorotoro ny fonao ny latsa.

 

Farany dia nisotro ilay kapoaka mangidy Ianao,

Namita ny asa, ka nilaza hoe : “Vita”,

Ry Mpandresy mahery ! Teo an-tanan’ny Ray,

Tam-piadanana feno, no natolotrao ny fanahinao.

 

Ry Mpamonjy malala, Ianao Izay any ambonin’ny anjely,

Dia nosatrohan’Andriamanitra haja, satria afa-po Izy ;

Dieny etỳ an-tany izahay dia efa midera Anao,

Ary miankohoka sy mitsaoka Anao, ry Tompo.