Alatsinainy 16 Desambra 2019

Androany no andro fahatelo hatrizay nahatongavan’izany. Lioka 24:21

Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina, ... ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina. 1 Korintiana 15:3, 4

Mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Romana 6:4

 

Androany (8)

Vakio Lioka 24:14-32

Ao amin’ny fitantarana zava-nitranga teny an-dalana mankany Emaosy no ahitantsika ny “anio” (na androany) farany ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka. Nalahelo ireo mpianatr’i Jesosy roalahy izay nandeha nankany Emaosy. Rava tanteraka ny fanantenany rehetra, satria maty Jesosy. Androm-pisaonana ho azy ireo io andro io, izay andro fahatelo hatramin’ny nahafatesan’ny Tompony, satria tsy fantany, na tsy ninoany, fa efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy. Tamin’io andro io Jesosy dia nanova ny fisaonan’izy ireo ho fifaliana, fifaliana nampihetsi-po, ary izany dia nataony tamin’ny andro fahatelo indrindra, izay imbetsaka ao amin’ny Baiboly no maneho ny fitsanganana amin’ny maty (jereo ohatra Hosea 6:2).

Ry kristiana namana, azontsika raisina ho antsika ihany koa sy hotsarovantsika isanandro io tenin’ny Filazantsara io, hoe : “Androany no andro fahatelo”. Isika ve ankehitriny mba miaina ny fifalian’ny fitsanganana amin’ny maty ? Jesosy dia te hampivoaka antsika hiala tao amin’ny tranomaizina anaty misy antsika sy tao amin’ny fangatsiaham-po mahafaty, te hanangana antsika, te hampifoha antsika ho amin’ny fitiavany nandresy, mba hiainantsika amina fiainam-baovao, “toy ny efa maty nefa velona” (Romana 6:13).

Matetika isika dia malahelo toy ireo mpianatra tany akaikin’i Emaosy ireo, satria miaina toy ny hoe tsy nitsangana tamin’ny maty Jesosy. Aoka hotsarovantsika fa ny fitsanganany tamin’ny maty no marika tsy azo lavina manaporofo ny fandreseny, fandresen’ny aina ny fahafatesana, fandresen’ny hazavana ny haizina, fandresen’ny marina ny lainga, fandresen’ny madio ny loto, fandresen’ny fahafahana ny fanagejana, fandresen’ny hafaliana ny alahelo, fandresen’ny fiadanana ny tebiteby. Jesosy no Tompon’ny aina.