Talata 17 Desambra 2019

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; ... fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary ... ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2, 3

 

Aiza no hahita fialofana ?

Ory, tsy manana fanantenana momba ny hoavy, marary, manirery, tsy manan-kialofana… Vitsivitsy ihany izy ireo eo anivon’ny fiarahamonina, hoy angamba ianao. Eny, kanefa mihamaro izy ireo, ary henatra ho antsika izany.

Nefa ve, amin’ny lafiny ara-toe-panahy, ara-pitiavana, raha momba ny antony ilàna ny fiainana, momba ny tanjony, tsy ao anaty fahantrana toy izany avokoa ny olona rehetra tsy manana an’Andriamanitra ? Hoy ny Baiboly : “Isika rehetra dia samy efa nania… samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy” (Isaia 53:6). Rehefa miaina tsy manana an’Andriamanitra, dia miaina tsy misy tanjona matotra. Rehefa mandà ny fisian’Andriamanitra, dia manafoana izay rehetra mety ho dikan’ny fiainana. Rehefa tsy manaiky handray ny fitiavany, dia milentika ao anaty fisalasalana sy fangidiana.

Ao amin’ny Baiboly dia nisy nivavaka hoe : “Foana avokoa ny fiarovana ahy ; tsy misy miahy ny fanahiko. Mitaraina aminao aho, Jehovah ô ; hoy izaho : Ianao no aroko” (Salamo 142:4-5).

Ny fanomezana asetrin’Andriamanitra ny firenirenentsika ara-toe-panahy dia fialofana ao amin’ny fahatsaram-pon’Andriamanitra. Tonga Jesosy mba hampahafantatra izany antsika. Tsy niteny ve Izy hoe : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28) ? Izay matoky Azy dia raisina ho ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. “Izay rehetra nandray Azy (nandray an’i Jesosy Kristy) dia nomeny hery (nomeny zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Ny hoe mino ny anarany, dia miaiky ihany koa fa very maina sy naniratsira an’Andriamanitra ny fiainako teo aloha tsy nanana Azy. Nanonitra ny momba izany Jesosy rehefa nankeo amin’ny hazofijaliana ; ary niteny koa Izy hoe : “Handray anareo ho any amiko (Aho), ka izay itoerako no hitoeranareo koa”.