Alarobia 18 Desambra 2019

Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy (Jesosy). Hebreo 2:18

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16

 

Mpitsoa-ponenana

« Nitsoa-ponenana tany ivelany ireto mpivady sy ny zanany kely, satria namoaka didy hampamono ny zaza madinika tao amin’ny firenena ny mpitondra fanjakana ». Inona no holazaintsika raha mamaky vaovao ratsy toy izany ao anaty gazety isika anio ? Raha ny marina, dia izany no famintinana ny tantaran’ny nandosiran’i Josefa sy Maria ary Jesosy Zaza, fony i Heroda nampamono ny zazalahy kely latsaky ny roa taona tao an-tanànan’i Betlehema. Nandositra tany Egypta ny ray aman-drenin’i Jesosy ary nijanona tany, mandra-pahafatin’i Heroda (Matio 2:14, 15).

Toejavatra firifiry toy izany moa no mbola mitranga eo ambany masontsika, any amina firenena maro ! Manaitra ny mahafantatra fa nandalo fitsapana toy izany Jesosy sy ny ray aman-dreniny. Naverin’ny evanjelista Matio nosoratana ny tenin’ny mpaminany Hosea hoe : “Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako” (Matio 2:15). Tamin’ny voalohany io ampahan-tsoratra tranainy io dia nilazana ny vahoaka hebreo, nandositra niala tany Egypta izay naha andevo azy, ary nenjehin’ny miaramilan’ny Farao.

Nampiharin’i Matio tamin’ny fiverenan’i Jesosy Zaza avy tany Egypta izany andininy izany, mba hanoritany fa matetika ny Tompo Jesosy no naka ny toeran’ny vahoakany, ary nandalo toejavatra sy fahoriana mitovy amin’ny niainan’izy ireo. Tsy miteny amintsika ve izany ? Fantatr’i Jesosy ny alahelontsika, ary Izy dia niaina toejavatra maro diavintsika ihany koa. Koa tsy Izy ve izany no tena afaka mahatakatra ny manjo antsika sy mamaly ny vavaka ataontsika, indrindra amin’ny fampiononany antsika ?