Alakamisy 19 Desambra 2019

Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena. Romana 10:13

Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:12

 

Ahinjiro ny tananao

Tantara iray ao amin’ny Filazantsara : “Ary niditra tao amin’ny synagoga indray Jesosy : ary nisy lehilahy anankiray maty tànana teo. Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ny Sabata Izy, na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy maty tànana : Mitsangàna etsy afovoany. Ary hoy koa Izy tamin’ny olona : Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy ? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty ? Fa tsy nety niteny ny olona. Ary nony nijerijery azy tamin’ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy : Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.

Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy” (Marka 3:1-6).

Hisintona fampianarana roa loha avy amin’izany tantara izany isika :

— Ny fahamaizinan-tsaina sy ny hamafin’ny fo no mampiavaka ireo olona hajambain’ny avonavona ara-pivavahana. Hany ka avy hatrany dia tiany hovonoina ho faty Jesosy, Ilay nanasitrana azy ireo.

— Ara-toe-panahy, eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra dia mitovy amina malemy voan’ny aretina tsy hay sitranina, dia ny otany. Ahoana no hahasitrana amin’izany ? Manao izay lazain’i Jesosy, mankatò Azy. Naninjitra ny tànany ilay lehilahy maty tànana. Nino izy, tsy nisalasalany fa hanasitrana azy Jesosy. Izany fihetsika maneho finoana izany no tadiavin’Andriamanitra, mba hahazoana ny famelàna ny fahotana sy ny fiainana mandrakizay. Anio dia mbola afaka manao izany fahagagana izany Jesosy Kristy. Vonona Izy handray ny tanan’izay mahatsiaro ho “malemin’ny fahotany”, vonona hanafaka azy avy hatrany, ary hanome azy fiainana sy fiadanana.