Zoma 20 Desambra 2019

Fa voahombo tamin’ny hazofijaliana Izy (Kristy) noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. 2 Korintiana 13:4

Afafy amin’ny fahalemena izy (ny vatan’ny mpino), atsangana amin’ny hery. 1 Korintiana 15:43

 

Fahalemena, hery

Mahavariana fa nampiharina tamin’i Jesosy Kristy ny teny hoe “fahalemena”. Ilay Tompon’ny voninahitra (1 Korintiana 2:8) dia “voahombo tamin’ny hazofijaliana ... noho ny fahalemena”. Raha jerena ivelany, dia voafaritry ny fahalemena avokoa ny lalany rehetra tetỳ an-tany. Ary ny hazofijaliana no fanehoana faratampony izany fahalemena izany.

Ny fahalemena anefa dia tsy tokony hafangaro mihitsy amina kilema. Ny Tompo Jesosy dia “tsy nahalala ota” ; “tsy mba misy ota ao aminy” (2 Korintiana 5:21 ; 1 Jaona 3:5). Mba hamonjeny ny olombelona, dia tena nanjary olombelona tetỳ an-tany Izy. Izany no nahatonga Azy hahatsiaro hasasarana, hanoanana, hetaheta. Nony farany dia nanaiky ny ho faty hisolo antsika Izy. Nalevina tao am-pasana ny vatany. Izany rehetra izany dia maneho avokoa ny fietren’Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay tonga “ho manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7), niaraka tamin’ny fahalemena rehetra naterak’izany. Nefa ankehitriny Izy dia “velona kosa noho ny herin’Andriamanitra”.

Rehefa maty ny mpino dia apetraka ao ambanin’ny tany —toy ny “voa afafy”— ny vatany, araka ny lazain’ny Soratra Masina : “Afafy amin’ny fahalemena” izy. Ny fahafatesana no teboka faratampony maneho ny harefon’ny olombelona. Nefa kosa voasoratra hoe : “Afafy ... izy”. Ary ho an’ny finoana dia mirakitra fiandrasana fiainana izany, araka ny tohin’io andinin-tSoratra Masina io, hoe : “Atsangana amin’ny hery”. Rehefa ho avy indray ny Tompontsika Jesosy Kristy, dia hiasa amin’ “ny tenan’ny fietren-tenantsika” ihany koa ilay hery nanangana Azy tamin’ny maty, ka hanova io tenantsika io hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny (Filipiana 3:21).

Hery toa inona tokoa moa izany herin’Andriamanitra izany ! Fandresena toa inona, manoloana ny haben’ny fahalemena sy ny tsy fahaizana mbola misy amintsika ankehitriny !