Asabotsy 21 Desambra 2019

Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa ; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany. Isaia 46:9, 10

Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny ; fa antomotra ny andro. Apokalypsy 1:3

 

Ny Baiboly, efa lany andro hoe ?

Tamin’ny fotoam-pankalazana ny tontolon’ny “numérique” tany Paris, tamin’ny volana jona 2015, dia sambany vao nisy fametrahana “puce elektronika” asisika any ambany hoditra. Izany teknolojia izany dia mety hampiova ny fomba fifandraisantsika amin’ny tontolo manodidina antsika. Ny fananana “puce” ao ambany hoditra dia ahafahana mamoha varavarana, manokatra finday… mandoa volan’ny hôtely fisakafoana. Tsy mila marika miafina na karatra intsony. Ny zava-misy ankehitriny dia manamarina —raha atao hoe ilaina izany— izay nolazain’ny Baiboly efa ho 2000 taona mahery izay, hoe mba hahazoana mividy na mivarotra, indray andro any dia tsy maintsy manana marika eo amin’ny tanana na eo amin’ny handrina (Apokalypsy 13:16, 17).

Mety hihevitra angamba isika fa boky efa lany andro ny Baiboly. Ny mifanohitra tanteraka amin’izany no marina, satria tena mbola manan-kery tokoa izy. Maro ireo teny faminaniana ao no efa tanteraka, ny sasany eo an-dalam-pahatanterahana, ary izy rehetra ho tanteraka avokoa. Am-polon-taonany vitsivitsy izay, dia tsy takatry ny saina ny hahitan’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao lehilahy roa novonoina ary naseho teo amina kianja tany Jerosalema (vakio Apokalypsy 11:7-11). Amin’izao fotoana izao dia azo vinavinaina tsara ny fisehon’ny tantara, amin’ny alalan’ny “internet”.

Andriamanitra dia manambara ao amin’ny Baiboly ny zavatra hitranga, nefa lazainy antsika ihany koa ny antony. Toy ny talohan’ny Safodrano, dia milentika ao anaty faharatsiana ny toetra ara-pitondrantenan’izao tontolo ankehitriny izao. Lazain’Andriamanitra antsika fa ny fitsarana dia hihatra amin’ireo mpaniratsira miteny hoe : “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?”. Tsy fantatr’izy ireo fa “maharipo … Izy (Andriamanitra), ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (vakio ny 2 Petera 3:4-10). Mbola fotoana anio, hinoana ny Baiboly sy hitodihana amin’Andriamanitra !