Alahady 22 Desambra 2019

Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy ... noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Filipiana 3:7, 8

 

Tombony sa fatiantoka ?

Niomana ho mpivarotra i John Williams (1796-1839). Indray andro dia nifamotoana izy sy ireo namany vitsivitsy, mba handany ny takariva any amina trano fisotrosotroana. Nandrasan’i John teo amoron-dalana ireo namany, nefa tsy tonga. Nangatsiaka ny andro, ary efa ho tonga ny alina.

Tsy nahandry intsony izy, ary efa vonona ny handeha irery, no nantsoina vehivavy mpiara-monina nahafantatra azy tsara. « Inona no ataonao eto amin’ny mangatsiaka eto, ry John ? Ndao hiaraka amiko, fa handeha hamonjy fivoriana fitoriana Filazantsara tsy dia lavitra eto aho. » Tsy te ho any velively izy, nefa tampoka teo dia nanapa-kevitra hanaraka azy, mba hamaly faty ireo namany. Toa olona tsy liana loatra no fijery azy, ary nipetraka teo amin’ny sisina dabilio izy, tsy mihaino na inona na inona, ary toa variana mieritreritra. Nony farany anefa dia nisy teny nanaitra azy ihany, dia ny hoe tombony, fatiantoka, mahazo tombony, maty antoka. « Miresaka varotra ve ny ato amin’ity fiangonana ity e ? Mahaliana ahy izany. Tena mba sambany, raha hoe izany ! »

Izao ny Teny ao amin’ny Filazantsara nofidin’ilay mpitoriteny : “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ?” (Matio 16:26).

« Nisokatra ny masoko, tamin’io hariva io », hoy i John tatỳ aoriana, nitantara ny niovany fo.

Niova tanteraka ny fiainany, nanomboka hatreo. Naneso azy ny namany. Saingy nandao azy ireo izy, sady nivavaka ho azy ireo. Niaiky izy fa na dia tsy mendrika aza, dia nahazo fanafahana, vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra tao am-pony.

Nony 20 taona izy dia niondrana nankany amin’ireo nosin’i Pasifika. Tamin’ny alalany dia tompon-tany an-jatony maro, izay mpihinana olona, no voakasiky ny fahasoavan’Andriamanitra ihany koa, ka niala tamin’ireo fomba ratsiny feno habibiana, ary nanokana ho an’i Jesosy Kristy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany.