Alatsinainy 23 Desambra 2019

Eny an-danitra no itsinjovan’i Jehovah ; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy ; eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany —dia Izy ... Mpamantatra ny asany rehetra. Salamo 33:13-15

Tany an-danitra no nitsinjovan’i Jehovah ny tany, mba hihaino ny fisentoan’ny mpifatotra sy hanafaka izay voatendry ho faty. Salamo 102:19, 20

 

Tazanina avy any ambony

« Avia mamantatra ny toerana misy ny fonenanao, mankafy ny lokon’ny tanàna, mitolagaga manoloana ireo fampisehoana rafitsary…, ary mankafy ny hakanton’ny sary, dia ho tsapanao ny maha tsinontsinona anao, raha zohina. » Izany fanasana hijery fampirantiana sary nalaina avy eny amin’ny habakabaka izany dia mampahatsiahy antsika tokoa ny maha isika antsika : zavatra bitika manoloana ny fidadasik’izao tontolo rehetra izao. Raha jerena avy eny ambony dia sarotra fantarina ny trano iray, na tsy lavitra akory aza ny haavo ijerena azy. Ny olona moa dia zara raha hita.

Nefa dia tian’Andriamanitra ny olona, zavaboary marefo, tsy misy dikany manoloana ny fidadasiky ny tontolo. Mihevitra antsika, ary te hahasambatra antsika Ilay “mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” (1 Timoty 6:16). Nasehony antsika ny fiheverany antsika. Tonga avy any an-danitra Izy mba hihaona amintsika, na dia marefo aza isika. Andriamanitra dia nanjary olona tao amin’i Jesosy, ary niasa mba hanafaka antsika. Teto amin’izao tontolo izao Jesosy dia Ankizy kely, fantatra tamin’ny maha zanaky ny mpandrafitra Azy, ary mpandrafitra ihany koa, avy eo. Niaina tao anaty fahantrana Izy, toy ny mpanompo feno fanetrentena. Tsy nanana endrika Izy hisehoana tao amina tontolo feno olona mieboebo mitady ny hisongadina. Natao tsinontsinona Izy, kanefa nanome izay nilain’ireo nifanena taminy : na mahantra na manankarena, na marary na salama, dia samy nojereny avokoa. Maty Izy, nandray teo anatrehan’Andriamanitra ny toeran’ny meloka, ary nisolo azy ireo, niaritra ny fitsarana.

Ankehitriny Izy dia mitaona antsika mba haka io toeram-panetrentena io, toeran’ankizy kely, ary handray ny famonjena atolony maimaimpoana ho an’izay mino Azy.