Talata 24 Desambra 2019

... ary ny anarany hataonao hoe JESOSY. Matio 1:21

Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Isaia 9:5

 

Anarana mahatalanjona

 

Anarana mahagaga izay nampahita,

Etỳ an-tany anjakan’ny haizina,

Ilay Andriamanitra tsy mbola hitan’iza na iza,

Ao anatin’ny famirapiratany tsy hay hatonina !

 

Anaran’Ilay Olona nanetry tena sy nanirery

Feno fangorahana ireo fahoriantsika,

Mpanompo an-tsitrapo, nitondra

Ny enta-mavesatry ny fijaliantsika ;

 

Anarana tsy manam-tsahala, ka ny heriny

Dia mamaly mandrakariva ny finoantsika ;

Anarana mampivory manodidina Anao

Ireo navotanao, na tsy eo aza Ianao ;

 

Anaram-piandrianana, hajoron’Andriamanitra Ray

Ho Tompon’izao rehetra izao ;

Ka handohalika eo alohan’izany, indray andro any,

Ny lanitra, ny helo, ary ny tany ;

 

Anaran’i Jesosy, tsy hain’iza na iza fantarina,

Anaran’Ilay Andriamanitra mahery mandrakizay,

Sy an’Ilay Zanak’ondry, Mpamonjy izao tontolo izao,

Ary an’Ilay Olona nitsangana tamin’ny maty ;

 

Anaran’Ilay Kintana fitarikandro,

Anaran’Ilay Kintana mamiratra antoandro,

Voninahitra anie ho Anao, ry anaran’ny Fahazavana,

Isaorana anie Ianao, ry anaran’ny Fitiavana !