Alarobia 25 Desambra 2019

Ianareo mahalala ny ... teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ... dia ny amin’i Jesosy ... Izay ... nandehandeha nanao soa ..., satria Andriamanitra nomba Azy. Asan’ny Apostoly 10:36-38

 

Fa nankaiza Izy ? (1)

Krismasy izao. Fety ny andro androany, ho an’olona maro. Nefa tsy eo Jesosy. Nisy mpahay tantara iray niarahaba tena aza, satria niverina nanjary toy ny tamin’ny niandohany ny krismasy, niverina ho fety jentilisa, tsy misy an’Andriamanitra.

Efa nandre momba an’i Jesosy Kristy anefa ianao. Iza moa io Lehilahy nadino io, kanefa manomboka amin’ny fotoana nahaterahany no anisana ny taona ao amin’ny fanisana andro fampiasantsika ?

Marina fa nangingina ny nahaterahan’i Jesosy. Ny hany nampahafantarina izany dia mpiandry ondry, olona mahantra sy tsy misy mpahalala, tamin’izany fotoana izany ; ary magy, manampahaizana momba ny kintana, avy any an-tany lavitra. Nangingina ihany koa ny fiainan’i Jesosy nandritra ireo 30 taona voalohany niainany, izay tsy misy fantatra afa-tsy tantara fohy milaza ny nikarohan’ny ray aman-dreniny Azy hatraiza hatraiza (Lioka 2:44-45).

Ary rehefa tokony ho 33 taona Izy, efa avy nitety ny firenena Israely, dia maty. Narahina mpianatra vitsivitsy Izy, ary vahoaka voasariky ny fahagagana nataony mbamin’ny hafatra nitory fitiavana sy fanafahana nambarany tamin-kery sy fahefana tsy manam-paharoa, satria niteny avy amin’Andriamanitra Rainy Izy. Kanefa tao anaty faniratsirana sy henatra no hahafatesan’i Jesosy. Nosatrohina tsilo Izy, Izay tokony ho Mpanjaka. Ny sezafiandrianany dia hazofijaliana, izay fitaovam-pampijaliana tamin’izany fotoana izany. Ny tandapany dia vahoaka niteny ratsy sy naneso Azy. Ary ny mpanaraka Azy ? Saika lasa nitsoaka avokoa. Nantenaina ho hadinon’ny Tantara Izy… Lasa izay iny mpanelingelina sy mpanakorontana iny, hoy ireo manampahefana, nifalifaly. Tsy hisy hiresaka an’iny intsony. Dia ho izany tokoa ve ?