Alakamisy 26 Desambra 2019

Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

 

Mbola eo foana anefa Jesosy ! (2)

Araka ny mahazatra, raha te hamela dindo eo amin’ny Tantara, dia tokony nanao asa soratra, na nitantana fanjakana, na koa nitari-tafika… Tsy nisy nataon’i Jesosy izany. Nefa dia mbola eo foana Izy ! Mampametra-panontaniana antsika ny teniny, ny asany, ny fiainany, ny fahafatesany, sady zava-tsaro-pantarina mibahana ao an-tsaina sy manelingelina ny ankamaroan’ny olona. Nahoana Izy no mbola heverintsika, kanefa mpanao jadona marobe no tsy mampanahy antsika intsony ? Mbola heverintsika Jesosy, satria nitsangana tamin’ny maty, ary niakatra any an-danitra. Mitovy filaza ireo filazantsara : foana ny fasany, ary maro tamin’ireo mpianany no nijoro ho vavolombelona fa nahita Azy velona. Ary velona tokoa Izy ankehitriny, ho an’ireo izay novonjeny.

Na oviana na oviana dia tsy ho hay alevina na totofana ny “raharaha Jesosy”. Tsy misy foto-kevitra, tsy misy fahefan’olombelona, na ara-pivavahana aza, afaka hanidy an’i Jesosy sy ny hafatra mitory fahafahana nentiny, hafatra loharanom-piadanana sy fifaliana ary fitiavana ho an’olona marobe, tamin’ny vanimpotoana rehetra sy manerana ny tany rehetra.

Raha miaiky ianao fa izay tena zava-misy no manan-danja, dia henoy ny vaovao mahafaly momba ilay Lehilahy tonga tam-panetrentena nanatona antsika, mba hitondra ny fahazavana sy ny fiadanana ho antsika, amin’ny anaran’Andriamanitra Rainy. Dingana iray ihany no ilaina atao, mba hanekenao hokasihin’izany fitiavana mandondòna eo am-baravaranao izany ; ary na ny fahafatesana aza, tsy afaka namono io fitiavana io. Tsy mba manao an-tery tsy akory Jesosy. Andrasany ianao handray Azy, na dia tsy mahita maso Azy aza. Vonona Izy hiseho ao anatin’ny fonao lalina ao : “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (nomeny zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).