Zoma 27 Desambra 2019

Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena ? Ary aiza no fitoeran’ny fahalalana ? Joba 28:12

Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana. Joba 28:28

 

Mikaroka ny dikany

« Marary ny fiarahamonina tandrefana, voagejana lojika miteraka faharavana sy tsy rariny ary fahadisoam-panantenana betsaka kokoa noho ny fifandanjana sy fiadanana. Ny tsy maintsy ahazoana tombony ara-karena ao anaty fotoana fohy mantsy no katsahina ankehitriny, fa tsy ny tombontsoan’ny besinimaro… Mba hivoahana tamin’izany lalana tampina izany, dia tsy fahalalana na teknolojia bebe kokoa na fitomboana no ilain’ny olona, fa fandinihana sy fananana hevitra mitombina, izany hoe, raha fintinina, fahendrena bebe kokoa, raha azo atao. »

Izany no tsapana lehilahy roa nitety izao tontolo izao, mba hiezaka hitady dikan’ny fiainana. Horonantsary fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe : “Mikaroka ny dikany” no nizaran’izy ireo ny fikarohana nataony.

Tamin’ireo fanontaniana napetrany, dia angamba nadinony ny nihevitra izay lazain’ny Baiboly antsika hoe : “Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany : Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy. Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo” (Mpitoriteny 9:13-15). Tadiavina ny fahendrena, nefa hadino ilay fahendrena tonga olona, dia Jesosy Kristy. Izy indrindra mantsy no resahin’ny bokin’ny Mpitoriteny, amin’ny fomba misarontsarona. Hoy ny apostoly Paoly : “Izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana… Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra” (1 Korintiana 1:23, 24). Teo amin’ny hazofijaliana dia nofafan’i Jesosy ny fahotantsika, mba hanomezany aina antsika. Aoka hoekentsika tsotra fotsiny izany, dia hisy dikany ny fiainantsika.