Asabotsy 28 Novambra 2020

(Hoy Jesosy :) Ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‘sain-dalin’i Satana’, dia izao no lazaiko : tsy hovesarako entana hafa ianareo ; kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-piaviko. Apokalypsy 2:23-25

 

Taratasy ho an’ireo fiangonana : Tyatira (4)

Tsara vakina : Apokalypsy 2:18-29

Tyatira dia tanàna kely nalaza noho ireo karazan-doko tao aminy (indrindra moa fa ny mena midorehitra) sy noho ireo vondrona mpanao asan-tanana manana ireo fetiny, ireo sorona nataony ho an’andriamaniny ary ireo fiainam-betavetany. Ao amin’ity taratasy ho an’i Tyatira ity, izay lava indrindra amin’izy fito, dia resahina ny momba ny vehivavy iray atao hoe Jezebela. Io anarana io dia mampahatsiahy vanimpotoana matroka tany amin’ny Testamenta Taloha : Jezebela, vadin’ny mpanjaka Ahaba, dia nampiditra tao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Israely ny fitsaohana an’i Bala sy Astarta, andriamani-tsy izy teo amin’ny mponina tao Foinika. Toy izany koa tao Tyatira, ny tontolo mpanompo sampy sy lo dia tafiditra tao amin’ny eglizy, ary nihambo ho miteny avy amin’Andriamanitra.

Tao Pergamosy dia nisy olona sasantsasany nitady hampivily ny mpino, tamin’ireo fampianarany tao amin’ny eglizy. Tao Tyatira kosa dia nisy ampahany tamin’ny fiangonana, namorona antoko satria voafitaka. Izany no iresahan’ny apostoly momba ireo “sisa any Tyatira” izay tsy manana izany fampianarana izany.

Ankehitriny, ny finoana kristiana dia tena voasariky ny fivoarana haingam-pandeha eo amina tontolo tsy misy an’i Kristy. Aza kivy isika, ary aoka hanohy hiasa ho an’Andriamanitra, sady samy hanontany tena hoe : Ao amin’i Jesosy Kristy sy ny Teniny ve ny loharano sy herin’ny fampianarana ekena sy tadiavina eo amin’ireo kristiana mifanerasera amiko ?

Tao Tyatira Jesosy dia miseho amin’ny maha Ilay Zanak’Andriamanitra Azy. Tsy mpampianatra toy ny mpampianatra hafa Izy. Taominy isika handà izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary hihazona mafy izay noraisintsika taminy, mandra-piaviny.

(tohiny amin’ny heriny)