Alahady 29 Novambra 2020
... toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ... hamonjy antsika. Efesiana 5:2
Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Romana 5:20
Nitia ahy Ianao, ry Andriamanitro, talohan’ny namirapiratan’ny mazava
Teo amin’izao tontolo rehetra izao, noforonin’ny feonao,
Talohan’ny namohazan’ny masoandro teto ambonin’ny tany
Izay rehetra nafafinao tao amin’ny vovoka tsotra nitoeranay.
Efa nitia ahy sahady Ianao, ry Andriamanitro ! Andriamanitro ô, nitia ahy Ianao !
Nitia ahy Ianao, ry Andriamanitro, tamin’ilay androm-pahatezerana
Nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotako.
Ho ahy no nanolorany ny tenany, mba hanaisotra ny fahantrako,
Ary ny famelan-keloka nomeny no nanafaka ahy tamin’ny fahadisoana mangidy rehetra.
Tamin’ny alalany, ry Andriamanitro, no nitiavanao ahy ; Andriamanitro ô, nitia ahy Ianao !
Nitia ahy Ianao, ry Andriamanitro, tamin’ny andro nisehoan’i Jesosy velona,
Nitsangana tamin’ny maty, mba ho voninahitrao.
Hiara-belona aminy aho, entanin’ny fandreseny.
Izy no anton’ny fanantenako, fifaliako mitia sy mino.
Ao aminy, ry Andriamanitro, no nitiavanao ahy ; Andriamanitro ô, nitia ahy Ianao !
Hitia ahy mandrakariva Ianao. Na i Satana na izao tontolo izao
Dia tsy hahasakana ny fitiavanao na oviana na oviana.
Teo amin’ny nihabeazan’ny faharatsiana, no ihoaran’ny fahasoavana be lavitra.
Avelao, ry Tompo, hamaly anao mandritra ny andro ny foko manontolo
Ary ho tia Anao tsy miolakolaka aho, Ianao Izay tia ahy mandrakariva.
F. Chavannes sy P. Junod