Alatsinainy 30 Novambra 2020
Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Jeremia 2:13
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16
Namakivaky ny taonjato nifandimby izany fehezanteny izany, nefa tsy mba nihen-danja. Ilay filôzôfa grika antsoina hoe Aristota hono no nanambara izany. Lalànan’ny voary izany, milaza fa tsy maintsy feno zavatra ny elanelana rehetra. Marina ihany koa izany foto-kevitra izany, amin’ny fiainantsika ara-panahy.
Ao amin’ny Filazantsara araka an’i Matio (12:43-45) Jesosy dia miresaka trano nonenana demonia iray fahiny, ary foana nony avy eo, satria noroahina tao ilay demonia. Rehefa voafafa sy voavoatra ilay trano, dia fotoana fohy ihany no tsy nisy nipetraka : demonia maro mbola ratsy noho ilay voalohany no tonga indray nonina tao.
Ry kristiana, izany kisarisary izany dia mampiseho amintsika fa raha tsy zavatra tsara no mameno ny fontsika sady tsy mitodika amin’ny Tompo izy, dia ho fenon-javatra hafa. Tsy ho afa-miala isika fa tsy maintsy ho fenon’ireo zava-poana atolotr’izao tontolo izao, ho fenon’ireo fifaliany mandalo vetivety, na koa ny tena ratsy, ho fenon’ny fahalotoana rehetra miseho miharihary eo aminy.
Raha te ho voaaro amin’ny ratsy sy ny fahalovana manodidina isika, dia tokony hihevitra an’i Kristy, hisaina ny zavatra “any ambony” (Kolosiana 3:2), hihevitra izay rehetra marina, manan-kaja, mahitsy, madio, maha-te ho tia (Filipiana 4:8). Nivavaka ny apostoly Paoly mba hitoeran’i Kristy ao am-pon’ny mpino, amin’ny finoana, mba “hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana” izy ireo, ary mba “hamenoana (azy ireo) ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra” (Efesiana 3:17, 19). Fenon’izany ny fony, satria nohazonin’i Kristy Jesosy” izy (Filipiana 3:12).
Aoka isika, eo amin’ny fiainantsika, hanome toerana bebe kokoa hatrany ho an’ny Tompo Jesosy, Izay nilaza hoe : “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy” (Jaona 14:23).