Talata 1 Desambra 2020
Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe : Tsy sitrako izao. Mpitoriteny 12:1
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Isaia 46:4
Iray amin’ny fijaliana lehibe ho an’ny zokiolona maro ny fiheverany fa tsy ilaina izy : « Maniry mafy aho mba hisy ilàna ahy ! Saingy efa tsy mahavita na inona na inona intsony aho ! Vesatra ho an’ny zanako aho sisa. Tsy fantatro ny antony mbola amelan’ny Tompo ahy eto an-tany… »
Ny fahanterana dia vanimpotoana anesoran-javatra amintsika, fotoana misy ireo andro ratsiny lazain’ny Baiboly… Mihena ny zavatra vitantsika, tsy maintsy miaiky isika fa voafetra sy miha voafetra kokoa hatrany ; miaiky fa very ny fahazakantsika tena ; miaiky ireo fahasahiranana ara-batana, izay matetika no vesarana fihenan’ireo fahaizana ampiasain’ny saina, toy ny fitadidiana na ny fahafahana mieritreritra.
Nanoratra i Saint Augustin hoe : « Raha te hiaina am-pahatoniana ny fahanterana isika, dia tsy maintsy manana ny fifaliana omen’ny finoana kristiana ». Mpino maro no efa niaina izany, izay vokatra fifandraisana marina fantatra sy iaraha-miaina amin’Andriamanitra, Ilay loharano velona mitondra ny fampiononana rehetra. Andriamanitra irery ihany no manatanjaka ny fanahy, mampahatanjaka ny reraka, ary manome hery be izay kely hery (Isaia 40:29), sady mitarika hibanjina Ilay namonjy antsika, hany ka “na dia mihalevona aza ny toetran(tsika) ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetra(ntsika) anatiny” (2 Korintiana 4:16).
Ny fiainantsika dia eo am-pelatanan’Ilay Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy, Izay hany manana ny fahefana sy ny fahendrena hamela antsika eto an-tany na haka antsika ho any aminy, na firy taona isika na firy taona ! Raha mbola te hitahiry antsika ho velona Izy, dia manome toky antsika fa tsy miovaova : “Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).