Alarobia 2 Desambra 2020

Raha manolo-tena ho mpanompo ianareo, na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo. Romana 6:16

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36

 

Ny kofehin’ny hala

Manery ahy hivezivezy matetika ny asa ataoko. Mavesatra ho an’ny ankohonako ireo fotoana tsy maha eo ahy. Indray andro, iny tafaverina iny aho no nanan-kevitra hamatotra ahy ny zanako vavy kely, mba tsy hahafahako mandeha intsony. Naka kofehy fanjairana izy, ka nanomboka nandany izany nanodidina ahy. Rehefa nahavita fihodinana vitsivitsy izy dia niato, ary toy ny mpandresy no niteny hoe : “Andramo ange, ry dada, raha afaka manala tena ianao e !” Ho azoko natao mora foana ny nanapaka ireo kofehy vitsivitsy, saingy tsy te hanimba ny fahafinaretan’ilay zaza aho. Nitsambikimbikina nanodidina ahy indray izy, mbola nitazona ilay kofehy teny an-tanany. “Afaka miala ve ianao ?” Mody nanandrana sy nanao tsy afaka aho, ka faly erỳ izy. Dia nanohy namatotra ahy hatrany izy, faly dia faly. Nony farany dia te hamaha ny fatorako aho, saingy tara loatra. Ilay ho kilalaon-jaza tamin’ny voalohany dia tsy vitako intsony, satria efa be loatra ireo kofehy namatotra ahy. “Voagadra ianao izao !” hoy ilay zazavavikely, nibitaka sady nitehatehaka. Na tiako na tsy tiako, dia voatery aho niantso ny vadiko mba hanampy ahy.

Izany tantara izany dia mampahatsiahy ny tetika ataon’ny hala ; mba tsy hahafahan’ny hazany manohitra intsony, dia fatorany amina kofehy manify kely nefa tsy mora tapaka izy, ary kofehy lavalava ihany, mba tsy hahafahany mihetsika intsony.

Ny devoly koa dia mampiasa izany tetika izany, mitarika tsikelikely ny hazany hanana fahazarana tsy ho hainy ialana intsony, mba haha tafalatsaka azy ao anatina fiankinan-doha tsy misy fanafana. Nefa tsy tara loatra, na oviana na oviana, ny miantso an’Andriamanitra mba hahazoana ny fanafahana. “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho” (Salamo 50:15).