Alakamisy 3 Desambra 2020

Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro ? Mpitoriteny 1:3

Manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany. Lioka 12:33

 

Nahita aho

« Eo amin’ny taranaka mifandimby, ny tanora dia manomboka ny asany, feno hery, faharisihana, ary fahavononana… Avy eo izy ireo dia mifanesy latsaka ao anatin’ny tsy firaharahana sy toetra ratsy, toy ireo teo alohany ihany.

Taorianan’ny taona vitsivitsy niainako, dia voamariko fa ny mandrafitra ny fiainantsika eto an-tany, matetika, dia zavatra ivelambelany ihany, ankoso-bolamena, mandalo… Fony mbola tanora aho dia nihevitra fa ny tanjona lehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia ny mahatratra fari-piainana tsara ; avy eo aho dia nahita olona sasany nahatratra ny zava-nokendreny, nefa diso fanantenana tamin’ny fiainany.

Nony hitako hoe hatraiza ny maha poaka aty ny zavatra atolotr’izao tontolo izao, dia zavatra hafa sarobidy lavitra kokoa, zavatra maharitra mandrakizay, no nanjary nibahana tato an-tsaiko. Rehefa nino an’i Jesosy Kristy aho dia nahita mihoatra noho izay rehetra nirin’ny foko. Ny zavatra mendrika hokatsahina indrindra eto amin’izao tontolo izao dia ny mianatra hahafantatra an’Andriamanitra sy ny fitiavany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Ny fahafantarana an’i Jesosy Mpamonjy dia tsy rijan-kevitra na filôzôfia, fa fiainana, dia ny fiainana mandrakizay (Jaona 17:3). Niainako ny hoe Jesosy Kristy dia vatolampy ahafahan’ny finoako miorina eo amboniny. Fantatro fa ny Fanahy Masina dia tsy hery mitarika fotsiny, fa tena Aina Velona, ary miasa. Fahiny, ny zavatra nahasarika ahy dia ny zavatra mandalo haingana loatra ; ankehitriny ny fitiavako lalina dia miorim-paka ao amin’Ilay nahary ny zavatra rehetra ary tia ahy. »

(Fijoroana ho vavolombelona nataona mpitsabo iray tsy nitonona anarana)