Zoma 4 Desambra 2020
Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany (ny voa nafafin’Andriamanitra) mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra. 1 Jaona 3:9
Raha hoy isika : Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. 1 Jaona 1:8
Toa mifanohitra ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo, ka mety hanahiran-tsaina ny mpino. Ny sasany amin’izy ireo, raha mamaky maimaika ilay voalohany, dia mety hihambo ho tsy manota intsony. Hay atao ve izany ? Ao amin’ny teny fototra, ny ambaran’ny apostoly dia hoe afaka amin’ny fahazaran-dratsy manota ny olona manana ny ain’Andriamanitra. Ilay “voa avy amin’Andriamanitra”, ilay aina vaovao noraisiny noho ny fahasoavana, dia mitodika amin’ny tsara, ary noho izany, tsy manota.
Nefa raha mbola eto an-tany ihany koa isika, dia mbola ao anatintsika ilay loharanon’ny ratsy antsoin’ny Baiboly hoe “ilay olona tranainy”, na “ny nofo”, izay vonona hatrany hitarika antsika. Izany indrisy no mahatonga ny kristiana rehetra mbola hanao fahadisoana. Ny tsy fiekena izany dia famitahan-tena. Izany no hevitry ny andininy faharoa nomena antsika androany, izay hamafisina andininy hafa, ka anisan’izany ny hoe : “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra” (Jakoba 3:2).
Na izany aza anefa, dia tsy afa-tsiny ny mpino raha tsy mahatohitra ny ota. Ny Fanahy Masina ao anatiny mantsy dia manana fahefana ampy, ary eo mandrakariva, mba hiaro azy amin’ny ratsy. Izay mikolokolo fifandraisana tsara amin’Ilay Andriamaniny dia sarotiny amin’ny fahamasinany, ary izany no manakana azy tsy ho “tafintohina”.
Ary raha tafintohina isika, inona no hatao ? Omen’ny apostoly antsika avy hatrany ny vahaolana : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).