Asabotsy 5 Desambra 2020
(Hoy Jesosy :) Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. Apokalypsy 3:3
Fahagola i Sardisy dia nalaza ho tsy hay baboina. Ilay tanàna mantsy dia niorina teo amina harambato tsy hay notafihina mihitsy. Nefa dia babo indroa io tanàna io, azon’i Kyrosy aloha, avy eo Aleksandra ; ary ny nahavoa azy dia ilay hany fahalemen’ny fiarovany, lalan-kely miafina tany anaty harambato. Tsy nampoizin’ny mponina...
Koa nisy akony tena lehibe tokoa teo amin’ireo kristiana tao Sardisy ny fampitandreman’ny Tompo hoe : “Miambena”. Revo tao anaty torimasom-panahy mitovy amin’ny fahafatesana izy ireo, tsy tena nifandray tamin’Andriamanitra, na dia nihevi-tena ho miasa fatratra aza angamba. Hadinony fa ny Tompo anie, ho an’ireo izay tsy miandry Azy, dia mety ho avy “toy ny fiavin’ny mpangalatra amin’ny alina”.
Ny aretin’i Sardisy no mananontanona antsika, rehefa mianina amina fombafomba ivelany fotsiny isika. Amin’izay mantsy dia ho hain’ny fahavalo ny hampanalavitra ny fontsika amin’Andriamanitra, amin’ny famenoany ny saintsika amina zavatra isan-karazany. Angamba isika hanana fiainana kristiana azo ekena eo imason’ny hafa, saingy ho ankosotra ihany izany, tsy misy fifamatorana velona amin’i Jesosy. Inona no lazain’ny Tompo amin’ireo kristiana ao Sardisy ireo ? “Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao”. Taominy isika hiverina amin’ny Tenin’Andriamanitra, hamela izany hiditra ao anatin’ny fontsika ; taominy hahatsiaro fa tena lehibe ny fahatsaram-pony, tamin’ireo fanafahany sy ireo valim-bavaka nomeny ; taominy koa hiteny aminy fa diso fatratra isika nanalavitra Azy, ka nanala voninahitra Azy tamin’izany. Aza mamita-tena, momba ny toetrantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Aza miantehitra amin’ny fahafantarantsika ny Baiboly, na amin’ny fomban-drazantsika, fa aoka hitoky amin’i Jesosy irery ihany. “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy” (Lioka 12:37).
(amin’ny heriny ny tohiny)