Alahady 6 Desambra 2020

(Hoy Jesosy :) Velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita [Aho]. Apokalypsy 1:18

(Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy niara-nohomboana taminy :) Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:43

 

Ahoana ny fihetsika, manoloana ny fahafatesana ?

Ny olombelona tsirairay dia manana tahotra ihany, manoloana ny fahafatesana, izay zava-misy manetriketrika sy tsy azo ihodivirana (Hebreo 9:27). Maro ny olona maneso, miresaka izany, toy ny hoe hampahalefaka ny lafiny mampangorohoron’io zava-misy io. Ho an’ny hafa dia lohahevitra fady izany, ka ny firesahana azy fotsiny dia efa manelingelina. Fa mba ahoana ny fihetsiky ny kristiana manoloana ny fahafatesana ?

Tahaka ny hafa ihany koa, ny mpino dia tsy mahafantatra ny fotoana hiafaran’ny fiainany eto an-tany. Saingy momba ny any ankoatra kosa izy dia manana fahamarinana lehibe azo antoka, notovoziny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra : fantany fa efa resy ny fahafatesana, satria Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty. Kristy dia nandringana “amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Ny mpino dia miantehitra am-piadanana amin’ny fanambaran’Andriamanitra hoe : “Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika … nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay” (2 Timoty 1:10). Kristy, tamin’ny sorona nataony, dia efa nandamina tanteraka ny resaka fahafatesana.

Tsy manan-tahotra ny kristiana, mihevitra ny fahafatesany : fantany mantsy fa hiaraka amin’Ilay Mpamonjiny izy. Efa nentin’i Jesosy ny fitsarana sy ny fanamelohana tokony ho nihatra taminy (Romana 8:1). Ho an’ny kristiana dia tsy zava-doza mahatahotra velively ny fahafatesana, fa fidirany ao amin’ny fitsaharana, miaraka amin’ny Mpamonjiny, ho amina hoavy mahatretrika eo anatrehan’Ilay Andriamanitra fitiavana.

Ny fahafatesana dia vokatry ny ota. Miaiky fa mpanota mendrika ho faty : izany no dingana ho amin’ny fanekena, amin’ny alalan’ny finoana, ny famonjena atolotr’i Jesosy, famonjena izay efa naloany tanteraka ny sarany. Izany no hany fepetra hananana io fahasambarana tsy hay tombanana io.