Alatsinainy 7 Desambra 2020
Ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 1 Korintiana 13:3
(Hoy Jesosy :) Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. Matio 10:8
Mampirisika antsika mba halala-tanana ny Baiboly, ao amin’ireo pejiny mifanesy (Deoteronomia 15:7). Ao amin’ny Testamenta Taloha dia nangataka Andriamanitra mba hanomezana Azy ny ampahafolon’izay azontsika. “Ary ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha, dia an’i Jehovah” (Levitikosy 27:30).
Izay miova, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia ny fitaomana hanome an-kalalahana, am-pitiavana. “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7). Mazava ho azy fa mba hahafahana manome, dia tsy maintsy nandray aloha. Tsy afaka manome afa-tsy izay ananantsika isika. Raha toa isika nandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, ny fifaliany, ny fitiavany, ny fiadanany…, dia afaka hanome koa eo amin’ny manodidina antsika : famelan-keloka, fifaliana, fitiavana, fiadanana. Ny hoe manome, voalohany indrindra, dia ny mampahafantatra maimaimpoana izany, mba hizarana azy.
Ny hoe manome dia ny manaiky ihany koa hahafoy zavatsoa mampiadana, hihafy tsy hanana zavatra hita maso sasantsasany ; nefa izany dia fomba iray ihany koa hahafantarana tsara kokoa Ilay Andriamanitsika, Izay nanome be dia be ho antsika. Ary tena manafaka izany ! Nisy nanoratra hoe : “Izay rehetra tsy hainao omena dia manandevo anao”. Rehefa manome sy mahafoy tena isika mba hitia sy hanompo an’Andriamanitra sy ny hafa, dia mihamalalaka ny fontsika ary ankasitrahintsika kokoa ireo fanomezan’Andriamanitra sy ny fahasoavany. Arakaraka ny hisitrahantsika ny fahasoavan’Andriamanitra no hanomezantsika ihany koa. Ary arakaraka ny hanomezantsika no hitomboantsika amin’ny fahalalana ny fahasoavany.