Talata 8 Desambra 2020
Jesosy ... nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe : ... Ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina ho azy. Fa hoy Jesosy taminy : ... Omeonareo hanina izy. Matio 14:14-16
Toa hafahafa ihany io tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany io, hoe : “Omenareo hanina izy”. Nahafantatra Izy fa hanatanteraka ny fahagagana hampitomboany ny mofo, nefa dia izany no nolazainy tamin’izy ireo.
Angamba Izy te hizaha toetra ny finoan’izy ireo sy hanatanjaka izany (Jaona 6:6). Nangatahiny izy ireo hitady hanina, satria tiany hiombona amin’ny fikasany hitahy ireo vahoaka maro ireo. Izany koa no fotoana nohararaotiny mba hampahatakarany ireo mpianany fa afaka miasa ny heriny, na teo aza ny fahalemen’izy ireo (2 Korintiana 12:9).
Nefa mety mbola misy antony iray hafa koa, asehon’ny fehezanteny hoe : “Jesosy ... onena azy (onena ny vahoaka)”. Nobaikoin’i Jesosy ny mpianany mba hamahana ny vahoaka, ka toy ny te hiteny amin’izy ireo Izy hoe : “Mba tiako ny hangorahanareo ny tsirairay amin’ireo olona ireo, toy ny angorahako azy”. Misy lesona lehibe izany : tsy afaka hitondra fitahiana ho an’ny hafa isika, ary tsy afaka hampiasa antsika Jesosy mba hanampiantsika ireo olona ireo, raha tsy manana fangoraham-po toy ny Azy isika.
Ny teny hoe “onena” dia nandikana ny fiteny fototra midika ara-bakiteny hoe “hontsa hatrany anaty tsinay”. Fiteny tena mahery izany. Ndao isika hiezaka haka tahaka tsara kokoa Ilay môdelintsika, ho mora tohina kokoa amin’ny fahorian’ny hafa sy izay zavatra ilainy. Mba tian’Ilay Andriamanitsika isika hanahaka ny Zanany, Izay malemy fanahy sady tsy miavona am-po, Izay onena, Izay nitomany an’i Jerosalema, ary Izay nivavaka ho an’ireo nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana.