Alarobia 9 Desambra 2020
Nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. Galatiana 2:16
« Niha lehibe tany Egypta aho, tao anaty ankohonana kristiana, ary niantehitra tamin’ny finoan’ny ray aman-dreniko. Nony tovovavy aho dia tsy ampy ahy intsony izany. Nisy fahabangana nitombo tao an-tsaiko, fa nahoana àry ?
Indray andro, tafaverina avy tany amina lasy kristiana ny anadahiko, niova tanteraka. Nisolo hatsaram-panahy ilay haratsian-toetrany taloha, ary tamina feo tony no nanasany ahy hanatrika ny lasy manaraka.
Ny andro voalohany dia olona iray nitovy be tamiko no noresahin’ilay mpanao famelabelaran-kevitra. « Mihevitra ve ianao fa tsara, ary kristiana tsara aza, ka tsy mila an’i Jesosy Kristy eo amin’ny fiainanao ? » Izaho ve no resahiny, sa ireo olona manao ratsy ? Sanganehana aho… Indray hariva dia nanasa anay izy hoe : « Izay te hanome ny fiainany ho an’i Jesosy Kristy, mitsangàna, dia hiara-hivavaka isika ». Nitsangana ny olona sasany, fa izaho kosa mbola nijanona nipetraka ihany, ary nanao anakampo hoe : Kristiana tsara aho. Fotoana fohy taorianan’izay dia nitaona farany anay hanatona an’i Jesosy ilay mpandaha-teny. Dia takatro fa tokony hanapa-kevitra aho. Nivaha ny lelako ary nivavaka aho hoe : « Ry Tompo Jesosy, te hahafantatra Anao aho. Misaotra, nanaiky ho faty teo amin’ny hazofijaliana, ho ahy. Mangataka Anao aho ho avy ato anatiko ary ho Mpamonjiko. Misaotra, mitia ahy, namela ny fahotako sy nanome ahy ny fiainana mandrakizay. Mba ampio aho hanjary araka izay tianao ho toetrako. Amen. »
Nony tafody tany an-trano aho, fiovana toa inona moa no teo amin’ny fiainako ! Ary ny Baiboliko, izay tsy mba novakiko taloha, dia nanjary nahaliana ahy fatratra ny namaky azy, mba hahafantarako bebe kokoa an’Andriamanitra sy hiresahako aminy isanandro. Nanjary nisy dikany ny fiainako, takatro amin’izay ny votoatin’ny ny finoan’ny ray aman-dreniko. »
(araka an’i Joy Youssef)