Alakamisy 10 Desambra 2020

Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo. 1 Petera 5:8, 9

Misaotra ny Ray, Izay ... nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany. Kolosiana 1:12, 13

 

Notafihina antsantsa

Nitatitra zava-nitranga nanaitra, ny haino aman-jery. Tany Afrika Atsimo no nitranga ny tantara, nandritra ny fifaninanana sorfa (fanatanjahantena mijoro ambony lampihazo entin’onja mitosaka mahery). Tampotampoka teo ny mpifaninana iray dia nahatsapa fisian-javatra tao ambanin’ny lampihazony, avy eo dona mafy, dia iny vombona telozoro nipoitra avy tao anaty rano. Tsy nisalasalana intsony fa antsantsa manafika io. Nanana fihetsika nandeha ho azy ilay lehilahy, nikapoka ny lamosin’ilay biby, ary nanalavitra faran’izay haingana, dia tafiditra tao anatina lakana teo akaiky teo, tamin’ny fotoana farany.

Io biby nihaodihaody io, nitady haza, dia mampahatsiahy fahavalo lozan-tany mpamely ny olona, fahavalo izay tsy iza fa ny devoly, antsoina ihany koa hoe Satana, na “ilay menarana ela” (Apokalypsy 12:9). Ny Baiboly, izay milaza marina ny fisiany, dia manome famaritana maromaro hafa momba azy : ilay fahavalo sy ilay liona mierona (ny andinin-tSoratra Masina nomena androany), ilay ratsy (Matio 13:19), mpamono olona sy mpandainga (Jaona 8:44), mpaka fanahy (Matio 4:3), mpamitaka (Genesisy 3:13), sns. Mampitandrina antsika Andriamanitra momba io fahavalo io, ary mampiseho amintsika ny tanjon’izy io : miezaka manakorontan-tsaina sy mamily lalana ny mpino ; manosika hanao ny ratsy amin’ny endriny rehetra, na ara-toe-panahy na ara-batana ; manohitra an’Andriamanitra amin’ny fomba rehetra ; mitaona ny olona hiala tamin’ny Filazantsara. Ny tadiaviny dia ny hahitan’ny olombelona fahoriana.

Izay tsy mametraka ny fitokiany ao amin’ny ran’i Jesosy dia mbola andevon’io tompo mafy fo sy masiaka io, na dia matetika loatra aza no tsy mahatsapa izany. Nefa i Satana dia efa resy teo amin’ny hazofijaliana : izay mino an’i Jesosy dia nafahana, ary manana Azy ho Mpamonjy sy Tompo, manomboka hatreo. Afaka miteny izy hoe :

 

Tsia, tsy hatahotra na inona na inona aho. Na i Satana na izao tontolo izao

Dia tsy maharombaka ahy teo an-tanan’Ilay Mpiandry tsara…

Eo mantsy aho dia voaaro ho mandrakizay amin’ny loza.