Zoma 11 Desambra 2020

Samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra. Efesiana 4:25

Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra. Kolosiana 4:6

 

Ny fitenin’i Jesosy amin’ny maha Olona Azy

Ny fanomezana tsara indrindra nataon’Andriamanitra ho an’ny olona, ankoatra ny aina, dia ny teny. Ary mba hanehoan’Andriamanitra ny tenany amin’ny olona, dia miteny aminy Izy. Tamin’ny vanimpotoana rehetra Andriamanitra dia nampita ny hafatra tiany ho fantatra, nampita izany tamin’ny fomba hahatakarana azy, tamin’ny alalana mpanompo samihafa, izay samy nanana ny fombany manokana. Efa feno ankehitriny io hafatra io, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, teny velona, haharitra mandrakizay.

Avy eo Andriamanitra dia naniry hanatona bebe kokoa ny voariny. Niteny taminy Izy tamin’ny alalan’ny mpaminany, mandra-pahatongan’i Jesosy tetỳ an-tany, Jesosy Ilay Teny tonga nofo (Jaona 1:14 ; Hebreo 1:2). Jesosy Kristy no fanambarana an’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao, ary ny fitondrantenany manontolo dia naneho ny fahamarinan’Andriamanitra : “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”, hoy Izy (Jaona 14:9).

Fony nonina teo anivon’ny olona Jesosy, dia niteny tamin’ny fiteny aramiana, fitenin’ireo nanodidina Azy. Tenin’ny fahasoavana no naloaky ny vavany (Lioka 4:22) ; nahatalanjona ny vahoaka ny teniny, izay nanana fahefana (Matio 7:28-29). Na ireo mpanohitra Azy aza dia nilaza hoe : “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46). Izany dia fahatanterahan’ny nambaran’ny mpaminany 700 taona eo ho eo tany taloha, hoe : “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka” (Isaia 50:4). Jesosy irery no nampita ny teny mifanaraka amin’ny toerana misy ilay olona mihaino Azy, teny oharina amin’ny paoma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra (Ohabolana 25:11).

Ry kristiana, ndao hiezaka hanahaka Ilay môdelintsika. Ndao hitandrina mba ho fantatra amin’ny fomba fitenintsika, hoe mpianatr’i Kristy isika.