Asabotsy 12 Desambra 2020

(Hoy Jesosy :) Indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy... Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao. Apokalypsy 3:8, 11

 

Taratasy ho an’ireo fiangonana : Filadelfia (6)

Tsara vakina : Apokalypsy 3:7-13

Ny tanànan’i Filadelfia dia niambina ny lalana isan’ny lehibe indrindra teo amin’ny fanjakana romana, lalana nampitohy an’i Eoropa sy Azia. Ny toerany ara-jeografia dia nahatonga ny fiangonana tao amin’io tanàna io ho toeram-pamaharana hampielezana ny Filazantsara, nefa nisy ihany koa tao mpanohitra maro ara-pivavahana, “ny synagogan’i Satana”. Satria izany no tontolo nanodidina ireo kristiana ireo, dia tena sarotra ny nijoroany ho vavolombelona sy nanompoany. Noho izany, dieny eo am-piandohan’ity taratasy ity ny Tompo dia nampiseho fa mahafantatra azy ireo : “Manana hery kely ihany ianao, ka nitandrina ny teniko, ary tsy mba nandà ny anarako”, ary te hampahery azy ireo koa. Nampanantena azy ireo Izy hoe : “Indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy”. Tsy mba mampitsiriritra antsika ve izany fankasitrahan’i Jesosy izany ? fankasitrahany mandra-piveriny : “ Ho avy faingana Aho”. Jesosy no vavahady anatonantsika an’Andriamanitra Ray, amin’ny alalany. Manokatra varavarana ho an’ny kristiana Izy mba hanompoana Azy, hitoriana ny Filazantsara, ary hiainana am-pitiavana ny fiainana fiangonana manaja Azy sy mitandrina ny Teniny (Filadelfia dia midika hoe « fitiavana ny rahalahy »).

“Tano mafy izay anananao” : hafatrafatra omena ny fiangonana eo an-toerana, ary ho antsika tsirairay koa. Inona moa io “varavarana mivoha ... tsy misy maharindrina azy” io ? Rehefa mihazona mafy izay azontsika tamin’i Kristy isika mba tena hifikitra aminy, eo amin’ny lafiny rehetra momba ny fiainantsika (fifandraisana ara-pianakaviana, asa, fianarana, fiarahamonina…), dia mahita fa tsy misy zavatra afaka hanakana antsika tsy hanaraka Azy sy hijoro ho vavolombelony.

Jesosy ihany koa no varavarana misokatra hahazoantsika miala amin’ireo fisainantsika manokana, ireo tsy fahombiazantsika, ny lasantsika, ny fomban-drazana mangeja antsika. Isanandro ny fitiavany dia manampy antsika, amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny herin’ny Fanahiny.

(amin’ny heriny ny tohiny sady farany)