Alahady 13 Desambra 2020

Jesosy ... naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany. Hebreo 12:2

Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ... fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry. Apokalypsy 19:7

Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay. Salamo 16:11

 

Ny fifaliana napetraka teo anoloany

Noho “ny fifaliana napetraka teo anoloany” no niaretan’i Jesosy ny hazofijaliana. Fa inona moa io fifaliana nanohana an’i Jesosy io, rehefa nisaina izany Izy tao anatin’ny fijaliana mafy niaretany ? Fifaliana misy lafiny telo mifamatotra :

Ny fifalian’ny Mpamonjy : Jesosy dia manohatra ny tenany amina mpiandry ondry, ary manohatra ny olona amina ondry very tadiaviny. Rehefa mahita ondry iray very ilay mpiandry, dia “ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy”. Izany fifaliana izany dia fifalian’Ilay Mpamonjy noho ny olona iray voavonjy, ary koa fifaliana any an-danitra noho ny mpanota iray izay mibebaka (Lioka 15:5-7).

Ny fifalian’ny Mpampakatra : Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia nahazo Fofombady, dia ny Fiangonany, izay voarafitr’ireo tena mpino rehetra. Tsy ho ela dia hatolony ho an’ny tenany ilay Fofombadiny “malaza, … masina sady tsy misy tsiny” (Efesiana 5:27) ary horaisiny ho eo akaikiny. Izany fifaliana izany dia ho fifalian’ny lanitra manontolo (Apokalypsy 19:6, 7).

Ny fifalian’ny Zanaka : Ilay lehilahy voalohany, Adama, dia nisalasala momba an’Andriamanitra, tsy nankatò, ka tsy nanome voninahitra Azy. Jesosy kosa, Ilay Zanak’Andriamanitra, nirahin’ny Rainy ho etỳ an-tany, dia tonga tahaka ny olombelona. Natoky an’Andriamanitra Izy, ary nankatò Azy hatramin’ny fahafatesana, ka nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Teo Izy no nahatontosa ny fepetra takian’ny fahamarinana sy fahamasinan’Andriamanitra, Izay tsy maintsy hanafay ny ota. Ary nasehony ny fitiavan’Andriamanitra, Izay nanao sorona ny Zanany Lahitokana mba hamonjeny olona mpanota. Notanterahin’i Jesosy an-tsakany sy an-davany ny asa teo amin’ny hazofijaliana, asa nankinin’ny Rainy taminy. Noporofoin’Andriamanitra izany, ka natsangany tamin’ny maty Izy ary napetrany eo ankavanany. Fifaliana ho an’ny Zanaka ny fanatrehan’ny Ray sy ny fankasitrahany.