Alatsinainy 14 Desambra 2020
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy... ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12
Émile Cailliet (1894-1981), mpampianatra literatiora sy filôzôfia, manampahaizana manokana momba an’i Blaise Pascal, dia avy amina fianakaviana tsy mino an’Andriamanitra. Tantarainy ny fomba nanofinofisany “boky iray mba hahatakatra ny manjo azy”, tany anatin’ny hady nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Taorianan’ny ady dia nifindra monina tany Etazonia izy, ary nikaroka boky toy izany, nefa tsy nahita. Koa nanapa-kevitra izy fa ny tenany mihitsy no hanoratra izany, avy amin’izay efa novakiny. Nony vitan’i Émile izany, dia nosokafany io bokiny sarobidy nirakitra ireo lahatsoratra notsongainy io. Nefa dia diso fanantenana tanteraka izy ! Tsy hitany tao anatin’io boky io ny tenany : ireo teny noraketiny tao dia tsy nanao afa-tsy nampahatsiaro asasoratra efa nandiso fanantenana azy.
“Tamin’izay fotoana izay indrindra, hoy izy nijoro ho vavolombelona, no niverina avy tany an-tanàn-dehibe ny vadiko, izay tsy nahafantatra na inona na inona momba io boky firaketana nataoko io. Nahagaga ny trangan-javatra nifampitohitohy, fa nahatonga azy hitondra Baiboly mody. Noraisiko ilay boky, ka rehefa nosokafako, dia “tojo” ireo teny milaza ny “Sambatra” valo aho ! Namaky aho, namaky, dia namaky, ary niteny mafy mihitsy aza, no nanjary nisy hafanana tsy hay nolazalazaina nanenika ahy. Ary tsy nisy teny koa, nahalaza ny fitolagagako. Tampoka teo mantsy dia tsapako fa ity no ilay “boky mahatakatra ny manjo ahy” ! Toy ny hetsehin’ny fanatrehan’Ilay Andriamanitra velona ireo pejy tsirairay ao anatiny. Io Andriamanitra sambany vao nivavahako io mihitsy no Ilay Andriamanitra resahin’ity boky ity.”
Te haneho ny tenany amin’ny olona rehetra Andriamanitra, ary mampiasa fomba mifanaraka amin’ny maha-izy azy ny tsirairay. Nataony hitan’i Emile Cailliet ilay boky notadiaviny, ilay boky ahafahantsika mahita Ilay Andriamanitra mahatakatra ny manjo antsika.