Talata 15 Desambra 2020

Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah, ka vakio. Isaia 34:16

Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nehemia 8:18

 

Vakio tsy tapaka ny Baiboly

Rehefa misy olona miresaka amintsika, dia mihaino azy isika ; rehefa misy olona manoratra ho antsika, dia mamaky ilay taratasy isika. Ny Baiboly dia taratasy alefan’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra. Asehoy an’Ilay Andriamanitra Mpahary ny fanajantsika Azy, amin’ny famakiana ny hafatra alefany. Vakio ny Baiboly.

Vao ao amin’ny pejy voalohany isika dia mahita an’Andriamanitra miasa araka ny fiandrianany lehibe, amin’ny maha Mpahary Azy. Avy eo, arakaraka ny amakiantsika, ary amin’ny alalan’ireo tantara samihafa, dia maneho ny tenany Izy. Dia toy izany no ianarantsika mahafantatra miandalana an’Andriamanitra. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia niteny tamin’ny olona Izy, tamin’ny alalan’ny mpaminany. Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia maneho ny tenany Izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Nidina avy tany an-danitra Jesosy no tonga tetỳ an-tany, naka vatana toy ny antsika (saingy tsy nisy ota), mba ho Izy tenany mihitsy no manambara amin’ny olona rehetra fa Andriamanitra dia fitiavana. Ndao hampahery tena hamaky ny Baiboly, ndao hianatra hahafantatra Ilay Andriamanitra velona sy marina !

Fa ny Baiboly dia mampahafantatra antsika ihany koa ny zanak’olombelona amin’ny maha izy azy, ary araka ny ahitan’Andriamanitra azy. Asehony antsika ihany koa ny maha rava tanteraka ara-toe-panahy ny olona, eo anatrehan’Andriamanitra (Romana 3:23). “Tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3:12). Koa na inona na inona toerana misy anao, dia taomin’Andriamanitra izany ianao hamaky ny Baiboly, toy ny taratasy alefany ho anao. “Ny finoana dia avy amin’ny toriteny ... avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).

Raha efa nino ny hafatra nentiny ianao, dia vao mainka vakio ny Baiboly, isanandro, mba hahafantaranao tsara kokoa an’Andriamanitra sy Ilay Mpamonjinao. Hanana torolalana hitondranao ny fiainanao ianao. Ary ho hitanao ireo fitahiana tehirizin’Andriamanitra ho anao, sady tsy ho hadinony ny hanao soa anao.