Alarobia 16 Desambra 2020
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa... koa mifidiana ny fiainana. Deoteronomia 30:15, 19
19 desambra 2016 : nisy asa fampihorohoroana nahafatesana olona 12, teo amina tsena Krismasy iray tany Berlin. Rariny tokoa ny fihetseham-po niraisana tany Eoropa manontolo. Ny ampitso dia nanambara teo amin’ny fandraisam-peon’ny mpanao gazety ny ministra frantsay iray, hoe : « Te hampita izao hafatra izao amin’ireo mpiray tanindrazana amiko aho : amin’izao vanimpotoana isian’ny loza manambana izao, dia aoka isika hanohy hivoaka, hiala voly… Efa raisina avokoa ny fepetra rehetra, iantohana ny fandriampahalemana ».
Miala voly, izany no teny filamatry ny fiarahamonina tandrefana ! Miala voly, manadonto ny saina ve, mba tsy hieritreretana ny anjara miandry antsika rehetra ? Tsy te ho mpanimba hafaliana tsy akory izahay, fa tena ny mifanohitra amin’izany aza ; ka tianay hambara aminareo fa Andriamanitra dia manolotra ho anareo zavatra tsara lavitra noho izay fialam-boly kely mandalo sy tsy misy tohiny. Ndao hamaky fampanantenana sasantsasany omeny antsika ao amin’ny Baiboly :
— ny fiadanana : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).
— ny fitsaharan’ny fanahy : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).
— ny fandriampahalemana : “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry feizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy” (Ohabolana 1:33).
— ny fahasambarana : “Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po” (Isaia 65:14).
Ahazoana tombony ny mahafantatra ny fahasambarana tsy mety simba miorina amin’Ilay “Andriamanitra finaritra” (1 Timoty 1:11).