Alakamisy 17 Desambra 2020

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Matio 7:7

 

Mahafantatra an’Andriamanitra sy mifanena aminy (1)

« Tamiko izay tsy nino ny fisian’Andriamanitra taloha, izany Andriamanitra izany dia rediredy foronin’ny saina, angano ho an’olon-dehibe, « zava-mahadomelina ho an’ny vahoaka », araka ny nolazain’ny filôzôfa Marx. Maro ny fijaliana, herisetra, tsy rariny hitako teo amin’ny manodidina ahy. Nahatohina ahy izany, ka niezaka niaro tena aho mba tsy hiharan’izany, ary tsy nahatsikaritra akory hoe nandray anjara tamin’ny nampisy izany. Nanoloana izany zava-misy izany, dia toy ny nanatevin-koditra aho, ho fiarovana. Teo amin’ny faha-15 na 16 taonako aho dia nanomboka nahafantatra ny zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina… Nihevitra aho fa nahita fialofana nahatsapako tena ho nahazo aina, tao amin’ireo zavatra ireo… Niaraka tamin’izany koa dia nisy karazana fankahalana nitsiry tato anatiko. Tetỳ ivelany aho dia toa tovolahy falifaly, nahomby tamin’ny fianarana, tsy nanan-java-mahory ; nefa raha ny marina, ara-toe-panahy aho dia nahantra, jamba, ary fadiranovana. Nandositra ny fijaliana tato anatiko aho, tamina fitadiavana fahafinaretana mandalo ; nefa raha zohina dia tsy nahavaha na inona na inona ireny, fa mainka aza nanimba ny fiainako andavanandro, satria nameno ahy toetra ratsy mandravarava.

Nony tokony ho 20 taona aho dia nahafantatra namana mpiara-mianatra kristiana iray, namaky ny Baiboly isaky ny nanana fotoana malalaka. Hitako tsara fa noheverin’ireo mpianatra hafa avy hatrany ho ao anatina sekta izy ! Izaho kosa, satria te hahalala sy te hahitsy ara-tsaina, dia nitady ny hahafantatra raha manan-kolazaina izy. Ary fotoana fanararaotra koa izao, hahalalako bebe kokoa momba io Andriamanitra tsy tena ninoako io. Raha ny tena izy, dia te hametraka fanontaniana fandrika aminy aho, mba tsy hiverenako intsony amin’izao resaka izao ! »

(hitohy)