Asabotsy 19 Desambra 2020

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

 

Taratasy ho an’ireo fiangonana : Laodikia (7)

Tsara vakina : Apokalypsy 3:14-22

Laodikia dia nanjary nanankarem-be noho ny orinasan’akanjo tao aminy, ny menaka fanasitranana ary ny ody maso, izay novidin’olona tonga avy lavitra. Nihevitra ho mahavita tena ny mponina tao, ary tia ny zavatry ny tany. Nanana izany toetra izany koa ny eglizy tao Laodikia, ary nino sy nilaza ho manankarena, nefa jamba momba ny tena toetrany ara-panahy. Tsy mba fanompoan-tsampy no fahotany, fa ny maha matimaty azy sy ny hambony. Toejavatra loza indrindra ! Io irery no eglizy ilazana fa “mitsangana eo am-baravarana” Jesosy. Tany ivelany Jesosy. Maro ny niaina “fivavahana kristiana tsy misy an’i Kristy”, tsy misy fifandraisana aminy. Ny finoana kristiana dia naetriny ho fanajana fitambarana soatoavina ara-pitondrantena fotsiny.

Toerana tsy mitombina sy mampidi-doza ny hoe mampiasa ny soatoavina kristiana tsy misy finoana ny Tompo Jesosy ! Ny mahatonga ny kristiana ho tena vavolombelona, dia ny fananany fiainana anaty miaraka amin’i Kristy. Ny loza mitatao amin’ny kristiana rehetra ankehitriny, dia ny manandratra avo soatoavina mitsinjo ny zon’olombelona ary avy amin’ny kolontsaina kristiana, toy ny fandriampahalemana, ny fiantrana, ny firaisana, ny fandeferana, nefa tsy misy io fifamatorana iankinan’aina amin’i Kristy io.

“Izay rehetra tiako no anariko sy faizako”, hoy Jesosy amin’ny eglizy tao Laodikia. Ry kristiana, antomotra ny hiverenan’ny Tompo Jesosy, makà fotoana hihainoana ny feony sy hamohana ny varavarana hidirany. Dia Izy mihitsy no hanome antsika zavatra tena marina, tena mamy... zavatra tsy hain’ny kristiana tsy hilaina : ny fanatrehany akaiky dia akaiky. “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy ; Ianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko” (Salamo 73:28).