Alahady 20 Desambra 2020

Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro... Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjaina, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra. Joba 14:1-2

Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25

 

Misy fiainana ve aorianan’ny fahafatesana ?

Ireo pyramida goavan’i Egypta dia mampisongadina ny fahalalana sy fahaizana ara-tekinika nananan’ireo nanao azy, tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo azy. Angamba aza ireo pyramida ireo mbola mampiharihary bebe kokoa ny finoan’ny Egyptiana ny fisiana fiainana aorianan’ny fahafatesana. Tsy misy amin’ny riba sy kolontsaina rehetra taloha na ankehitriny ve io finoana io, eny fa na dia ao amin’ny olona sasany tsy mino ny fisian’Andriamanitra aza ? Rehefa maty i Hô Chi Minh (1890-1969), ilay mpitolona vietnamiana tavaratra, dia novakina teo anoloan’ireo olombe mpitarika antoko kominista samihafa ny didim-pananany, nisy ny teny hoe : “Hahita indray an-dry kamarady Marx, Lénine ary Engels aho.” Ahoana no hanazavana izany finoana maneran-tany izany ? Izy io ve tsy ao anatin’ny fieritreretana voa-janahary nomen’Andriamanitra ?

Ho an’ny olombelona, ny fahafatesana dia rindrina manakona aminy izay ao ambadika. Nefa ny Tompo Jesosy dia nanisy loaka tao amin’io rindrina io. Maty teo amin’ny hazofijaliana izy, natao tao anatina fasana, ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Tamin’izany indrindra Izy, Ilay nandresy ny fahafatesana, dia nanaporofo tamintsika fa tsy mifarana amin’ny fahafatesana ny fisiantsika. Zavaboary natao ho an’ny mandrakizay isika, nefa ny finoana an’i Kristy irery ihany no manakambana antsika aminy sy miantoka fahasambarana mandrakizay ho antsika. Hoy izy amintsika : “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”

 

Ry Jesosy, Mpanavotra anay, — Tompon’ny aina,

Ianao no manafaka — amin’ny fahafatesana sy ny horohorony.

Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao ? — aiza ny fandresenao ?

Iray fo izahay no midera Anao, — ry Tompon’ny voninahitra.