Alatsinainy 21 Desambra 2020

Fa izao no lazain’ny Tompo ... : Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo ; nefa tsy nety ianareo. Isaia 30:15

 

Hatao inona koa ny hoe hitoky amin’Andriamanitra ? (1)

Jorama dia nanjaka tamin’ny andron’ny mpaminany Elisa. Izy dia nonina tany Samaria, tanàna feno fahalovana, ary tsy niraharaha an’Andriamanitra. Mahari-po anefa Andriamanitra, ka nampitandrina azy imbetsaka, tamin’ny alalan’ny mpaminany Elisa, momba ireo fandrika novelarin’ny mpanjakan’i Syria taminy, ary nanafaka azy tamin’ny loza. Nefa nanentsin-tadìny tamin’ny antson’Andriamanitra i Jorama, ary mbola nanao tsinontsinona Azy ihany. Koa mba hamerenany ny mpanjaka sy ny vahoakany aminy, dia navelan’Andriamanitra hatao fahirano i Samaria, ka nisy mosary nahatsiravina tao. Mafy aoka izany ny mosary, ka nahatonga ny olona sasany hihinana olona (2 Mpanjaka 6:28-29).

Nihoron-koditra i Jorama nony nahare izany. Nefa tsy nibebaka izy, na niantso ilay mpaminanin’Andriamanitra mba hahazo famonjena, fa vao mainka aza nanenjika an’i Elisa, izay nampangainy ho fototra niavian’ny loza rehetra nihatra taminy. Koa notadiaviny hovonoina i Elisa, ary naniraka mpanompo iray izy mba hanapaka ny lohany. Narovan’Andriamanitra anefa ilay mpaminaniny, ka nandamoka ilay teti-dratsy, ary dia nanao teny feno fangidiana i Jorama (2 Mpanjaka 6:33). Raha lazaina amin’ny fomba hafa ny teniny, dia hoe : “Satria efa nanao ratsy ahy Andriamanitra, hatao inona koa ny hoe hitoky aminy ?” Tsy nibebaka i Jorama, na nitodika tamin’Andriamanitra, fa vao mainka aza niampanga Azy, nikomy taminy, ary nitodi-damosina taminy…

Indrisy fa maro amintsika ny manao fihetsika toy izany. Ny tsy fankatoavan’ny olona sy ny fahotany no nampiditra ny fahoriana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao. Ka toa an’i Jorama, dia mijaly ny olona noho ny fahadisoany ihany. Mitsimbina ny olona Andriamanitra, miantso azy, ary mitady izay hamerenany azy aminy. Nefa mikomy ny olona, miampanga an’Andriamanitra, Andriamanitra Izay tia azy sy miantso azy am-paharetana.