Talata 22 Desambra 2020
Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany... Solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:19, 20
Rehefa nanota i Adama, ny tonga voalohany tao an-tsainy dia ny hiampanga ankolaka an’Andriamanitra : “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho” (Genesisy 3:12). Hatramin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, dia mikomy sy manohitra an’Andriamanitra hatrany ny olona. Ohatra iray mampiseho izany ny tantaran’i Jorama mpanjaka, hitantsika omaly. Mbola ao anatina toe-tsaina amam-panahy toy izany ny tontolo ankehitriny, manoloana an’Andriamanitra :
— Manjaka any amin’ny faritra sasany eto an-tany ny fahantrana, mandringana vahoaka maro ny ady noho ny haratsiam-po, ny fitiavan-tena sy ny herisetran’ny olombelona, ankizy maro no mijaly sy maty. Dia misendraotra isika, miampanga an’Andriamanitra, na angamba, aza, mitady hanafoana Azy tanteraka, amin’ny tohan-kevitra mampalahelo hoe : Raha misy izany Andriamanitra izany, dia hisy ve izao fijaliana rehetra izao ?
— Toy izany koa, eo amin’ny fiainantsika manokana. Satria Andriamanitra tsy manome antsika izay irintsika (fahasitranan’olona iray tiantsika, toe-bola mampiadana kokoa, fahasalamana tsaratsara kokoa…), dia hadinontsika ny andraikitra sy fahamelohana eo anatrehany, noho ny fahotantsika. Miampanga Azy isika, na manafoana Azy…
Nefa dia ho an’ireo olona mikomy aminy ireo no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana. Vakio ao amin’ireo filazantsara ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy. Dia ho fantatrao fa maha tohina an’Andriamanitra ny fangirifirian’ny zanany sy ireo fahoriana nateraky ny otan’ny olombelona teo aminy. Tamin’ny nahafatesany, Jesosy dia nampihavana tamin’Andriamanitra ireo rehetra mino Azy.
Ary noporofoiny tamintsika fa mendrika ny fitokiantsika manontolo Andriamanitra !