Asabotsy 2 Janoary 2021

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

Aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao. Isaia 41:10

 

Eo am-panombohana andro vaovao

Sanganehana isika ! Etsy andaniny, faly isika fa lasa ny taona 2020, nahitana izao tontolo izao latsaka lalindalina kokoa tao anatin’ny fiovaovana, ny horohoro sy ny tsy fahamarinana. Ary etsy ankilany, mitebiteby isika mijery izay mety havoakan’ny taona 2021 ho antsika.

Ato anatin’izao vanimpotoana tsy milamina izao, dia mba tianay ny hampiseho aminao jiro manazava ny alina, fanilo mafy raha sendra tafiodrivotra. Tianay ny manambara fa Kristy no vatolampin’ny fiainantsika, Ilay manome antsika faniriana sy fifaliana mba handroso. Ny fanantenantsika mafy sy azo antoka dia ao amin’Andriamanitra, Izay manana drafitra mitondra fahasambarana ho an’izay rehetra mandray Azy eo amin’ny fiainany.

Eto am-piandohan’izao taona vaovao izao, dia mba tianay ny hiresaka aminao lalana iray mety tsy fantatrao angamba, sy hanome anao faniriana hanaraka izany. Io dia ilay lalana mitondra amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ho Ilay Andriamanitry ny fampihavanana, Ilay Andriamanitra te ho Ray feno fahatsaram-po ho anao. Io lalana io dia Jesosy Kristy mihitsy, Ilay Mpamonjy, ary amin’ny alalany no hahatonga izao fiandohan’ny taona izao ho fampanantenana andro vaovao.

Te hiresaka aminao an’i Jesosy Kristy izahay, satria nifanena taminy ary nahatakatra hoe toy inona ny vinam-pahasambarana omeny ny fiainana. Manaraka Azy izahay, sady miteny aminao koa hoe : Ary raha mba manandrana moa ianao, mametraka ny tokinao aminy, mba hahita amin’izay, amin’ity taona 2021 ity, fiovana marina sy mahafinaritra eo amin’ny fiainanao, fiovana tsy hitondra fanenenana ho anao !