Alahady 3 Janoary 2021

Jesosy… nataon’i Jaona batisa tao Jordana. Ary raha vao niakatra avy teo amin’ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako. Marka 1:9-11

 

Jesosy — ilay Lehilahy nankasitrahin’Andriamanitra (1)

Jesosy dia teraka tao amina tranom-biby tany Betlehema, ary nihalehibe tao an-tokantranon’i Josefa sy Maria. Nony tovolahy Izy dia nianatra ny asan’ny mpandrafitra, ary niaina tsy dia fantatry ny olona, hatramin’ny faha telopolo taonany. Avy eo, talohan’ny nanombohany nampianatra ampahibemaso, dia nankany Jordana Izy mba hataon’i Jaona batisa. Zava-mahagaga no niseho tamin’izay, nony niala avy tao anaty rano Izy : nisokatra ny lanitra, nipetraka teo amboniny ny Fanahy masina, naka endrika voromailala, ary niteny avy tany an-danitra Andriamanitra Ray, ka nanao hoe : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3:17). Taona vitsivitsy taorianan’izany, raha efa nananontanona ny hazofijaliana, dia niakatra tany an-tendrombohitra Jesosy sy mpianany telo lahy, ary mbola re indray ny feon’ny Ray nanamafy ny fankasitrahany an’i Jesosy (vakio Matio 17:1-5).

Adama, ilay lehilahy voalohany, dia naniratsira an’Andriamanitra, ary toy izany koa ny taranany rehetra. Fa Jesosy kosa, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona, dia nanao mandrakariva izay nankasitrahin’Andriamanitra. Ny fiainany manontolo dia nifanohitra tamin’ny an’ilay lehilahy voalohany.

Rehefa nalain’i Satana fanahy i Adama, dia nisalasala ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fahamoram-panahiny, ka tsy nankatò Azy, noho ny avonavony sy ny sitrapony te hahaleo tena. Koa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, niaraka tamin’ireo voka-dratsy nentiny. Fa rehefa naka fanahy an’i Jesosy kosa i Satana, dia tsy nahavita nampiala Azy tamin’ny lalam-pahalavorariana nizorany.

Hodinihintsika amin’ny antsipiriany, amin’ireo alahady manaraka, ny sasantsasany amin’ireny halavorariana ara-toe-panahy nasehon’ny Tompontsika ireny, nanomboka tamin’ny nahaterahany ka hatramin’ny nahafatesany.

Eny, nahita Lehilahy iray nankasitrahiny ihany Andriamanitra, nahita Lehilahy lavorary, dia Jesosy !